ankehitriny ity firenena ity. Maro ireo karazam-panazavana mety ho voaray arakaraky ny seha-pandinihana misy ireo manome famakafakana na fandinihana mikasika ny antony nahatonga izany. Ao ireo milaza fa tarazo navelan'ny fanjanahantany io. Tsy nety nahita mangirana mikasika izany atao hoe fandrosoana izany mihitsy ny firenena hatramin'izay nidirany tanatin'ny atao hoe repoblika. Ao ny hilaza fa ny fanonganam-panjakàna izay naha very asa olona an'alin-kisa sy namono malagasy maro no nahatonga antsika ho mbola toy izao mandrak'androany. Hisy ny hiteny hoe tsy lojika ny fifanandrinana politika teo amin'ireo mpifanandrina politika miisa 2 farany teo satria naharitra 16 taona be izao. Fifamelomana politika no nisy fa tsy fifanandrinana politika. Ao ihany koa ny hoe hatramin'ny talohan'ny tolon'ny 1947 mihitsy no efa voafitaky ny frantsay isika malagasy ary voataizany mandrak'androany hanjakàna eto ny politikan'ny zarazarao hanjakana. Nanomboka tany amin'ny fizaràna ny foko malagasy ho 18 isa io ka nanomezan'ireo manam-pahaizany kilema fototra ny isam-poko toy ny hoe "Merina malama loha", "Betsileo jokotsoriaka", "Tandroy fangalarana", "Betsimisaraka hakamoana" sy ny tariny rehetra. Nandalo tamin'ny hoe "Antokon'ny afovoantany ny MDRM" ary an'ny tanindrana ny PADESM satria hoe Antokon'ny tsy manana lova eto na "Parti des déshérités". Hatramin'izao dia mbola miverina maro mpivoy eto indray ny adihevitra efa nilaozan'ny toetr'andro toy izany resaka tanindrazana sy ambaniandro izany. Ny azo hamehezana fohy azy angamba dia hoe tsy ny fahantrana ara-toekarena sy sosialy ihany no lalina eto amin'ny firenena ankehitriny fa ny ara-tsaina indrindra koa matoa mbola misy ny mivoy resaka mirefarefa toy izany. Enga anie mba hamaha ny olona rehetra sy ny fahantrana lalina toy izany na handeha ho aingana na mbola ho ela ity hoe fikaonandoham-pirenena ity!
J. Mirija