airtel

Edito

26-déc-2022

Edito

Fahasahiranana tsy miato

Sample post image

Anaty fiatoana politika moa isika izao, raha ny mahazatra fivoin’ireo mpitondra fanjakana isan-taona.

26-déc-2022

Tsy vitsy ihany koa ireo herivelona eto amin’ny firenena ny miantso ny amin’ny mba hanajan’ny olompirenena rehetra tsy an-kanavaka izany. Etsy ankilany dia heno isan’andro ny fitarainan’ireo valalabemandry na koa mbola antsoina hoe vahoaka tsy mandady harona manoloana ny fahasahiranana tsy miato hatrehiny. Ny fahasahiranan’izy ireo ve izany tsy mba afaka miato fa ny famahana izany fahasahiranana efa maherin’ny 60 taona izany kosa afaka hahato hatrany rehefa mandeha ny toromarika hoe tsy maintsy ahato? Ny sakafo hohanina isan’andro manahirana. Ny fandriampahalemana manahirana ary lalina koa ny fanontaniana mamaky ny sain’ny olom-pirenena sy ny mpanara-baovao maro ankehitriny manoloana ny filazan’ny minisitry ny fiarovana fa ao an-damosin’ny filoham-pirenena ny tafika. Tsy ao ambadiky ny vahoaka na tsy ilay hoe tandroka aron’ny vozona intsony ve izany? Ny fihariana, indrindra, izay miangina amin’ny angovo sy herinaratra, tena manahirana. Ny fandaniana angovo sy herinaratra hampanjelanjelatra ny tanana nefa tsy toko tsy forohana, hoy ny fomba fiteny izany. Ny solika manahirana. Aiza ho aiza tokoa moa izany no hahafahana mitony ao anatin’izany rehetra izany? Hitondra vonjy ho antsika tokoa anie iny fetin’ny famonjena nandalovana teo iny, na ho an’ireo mpino izany na tsia, ary ho tosaky ny soa ihany koa io taona hoavy efa akatoka io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap