airtel

Edito

02-août-2022

Edito

Fahateren-tsaina lalina

Sample post image

Ambara foana hatramin’izay fa andrim-panjakana tsy misy ilana azy fa fandaniana volam-bahoaka fotsiny ireo rafitra nampisahanina ny fampihavanana teto amin’ity firenena ity.

02-août-2022

Nipetraka teo ny FFM saingy maro ireo nilaza fa tsy nahitam-bokany. Io indray izao ny CFM. Mbola tahatahaka izany ihany koa ilay fanakihanana heno ary ny mahagaga fa ny tena fatra-panakihana ireo rafitra nifandimby ireo dia mpanao politika. Tsy nifidy io anaty fitondrana na ivelan’ny fitondrana. Etsy ankilany anefa dia misy koa ilay antsoina hoe CRN na “comité pour la réconciliation nationale”, saingy iny indray moa tarihana mpanao politika fa tsy hoe rafi-panjakana akory ary raha adika amin’ny teny malagasy mazava izany dia « fampiombonana » na koa hoe « fampiraisana” ny firenena no tena tanjon’ity farany ity satria izay no tena mahalaza ny teny frantsay hoe “réconciliation” amin’ny teny Malagasy. Ilay teny hoe “fihavanana” kosa tsy misy teny vahiny maha dika azy fa faritana amin’ny hoe “fifampitondrana tahaka ny mpihavana mihitsy na eo amin’ny olona tsy manana ra iraisana aza.”. Efa nazavaina matetika teto ihany izay hoe anton’ny fomba amam-panao famitranana izany toy ny fati-dra na fato-dra na tsitsika sy izay rehetra mitovitovy amin’izany eto amin’ity firenena ity. Tsy dia iny loatra intsony anefa ankehitriny no tena tiana hivalamparana fa ny trangam-pahalainan’ny mpanao politika malagasy, indrindra, ny mpitondra, hanatontosa ny tena fampihavanana eto amin’ity firenena ity manoloana izao fisamantsamahana ara-piarahamonina izay mahatonga olana maro eto izao. Tsaroana ny boky navoakan’ny CFM tamin’ny fotoan’androny izay nanjavona na hoe “flou” ny sarin’ny filoham-pirenena namarana taom-piasana tamin’izany, Hery Rajaonarimampianina. Nanazava moa ity rafi-panjakana ity fa tsy avy amin’izy ireo velively mihitsy no nahatonga izany ary tsy nisy tamin’ireo 44 mianadahy mpikambana tao nahalala akory izany no zava-niseho. Avy aiza izany no nipoiran’ilay heverina fa fahateren-tsaina lalina toy izany? Satria tsy teo amin’ny fitondrana intsony ve ilay olona dia ho fafana tanteraka mihitsy hatramin’ny dian-tanany? Toy izany koa ny fanontaniana efa maro mpametraka mikasika ilay hoe “gara fisandratana” vao tsy ela izay. Omaly indray dia mbola hatairana koa no naheno fa notapahana ny fandraisam-peon’ny filohan’ny CFM raha saika hiresaka momba ny fikaonan-doham-pirenena ny tenany. Enga tokoa anie ka mba tena olana ara-tekinika no antony fa raha tsy izany dia tena fahateren-tsaina lalina!
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap