airtel

Edito

30-juin-2021

Edito

Fahefana tsy ampy fahendrena

Sample post image

Mampanaonao foana io fahefana io rehefa tsy ampiasaina amin’ny fomba ara-drariny sy am-pahamendrehana. Misy fotoana mba tokony hileferana sy hahatsapana tena,

30-juin-2021

 fa tsy mahomby sy tsy manan-kery ny fahefan’ny tena eo anatrehan’ny toe-javatra iray. Zatra manao bontolo sy tsy mahazaka fahefana anefa ny mpitondra eto amintsika. Tsy mba afaka ny hanaiky ny lesoka fa dia ny hanao don-tandroka ihany no masaka an-doha. Zary lasa manangan’ady mandrakariva etsy sy eroa satria izay manohinohina kely ny tena mety hanana ny rariny sy ny hitsiny aza, dia ilàna kisa sy hetraketrahina. Roa taona sy tapany nitondrana mbola tsy mahatsiaro tena ho marin-toerana eo amin’ny fahefana, hany ka ezaina lalaovina ny lalàna, ny fahefana,… mba hoenti-manamboatra ny kajikajy samihafa. Na mba mety misy fahadisoan’ny tena izao aza, dia tsy fahaganana izany mba hanaiky sy hiaiky izany, fa tena nanao ny tsy mety. Amin’ny alalan’ny asa sy ny tamberiny ho an’ny vahoaka no tokony hitadiavana fahamarinan-toerana sy fanajana, saingy ny eto sanatrian’ny vava toa lany henatra, ka raha tsy misy ny amboletra, dia mandeha ny tsindry bokotra sy ramatahora,… Tsy voafehy intsony hoe hatraiza ny fetran’ity fahefana eo am-pelantanako ity, ka lasa manondrana. Aiza ve ka efa roa taona sy tapany sisa ananana, ny programa tsy vita fa tsisy vola, ny vahaolana miainga amin’ny fahaiza-manaon’ny mpitondra tsy misy,… Grevy etsy, grevy eroa, fitakiana etsy, fitokonana eroa,… saingy mbola mahavita manangan’ady amin’ny mpanohitra, mbola mandrefy ny mpanao gazety. Izay manohintohina sy manenligelina, fa tsy mifanaraka amin’ny sitrapon’ny Mpitondra ve dia voatery hilana kisa lava izao ary tsy voadinika intsony hoe: hatraiza ny mety ho hery sy fahefan’ity olona hetraketrahiko ity? Mbola betsaka ireo velirano natao: Tànamasoandro, tramway, autoroute migodana, téléphérique ,… ka sao lany andro manenjika ny tsy ho azo e .
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap