airtel

Edito

17-août-2021

Edito

Fahombiazana inona ?

Sample post image

Nanomboka tany amin’ny hoe fifanarahan’asa na “contrat programme” mandritry ny 6 volana ny resaka. Nampiasaina indray tao aorian’izay moa ny voambolana hoe “kolontsain’ny fahombiazana” na “culture d’excellence”. 3

17-août-2021

 taona latsaka sisa ankehitriny dia nilaza indray ny filoham-pirenena fa tsy manan-jo tsy hahaomby ity governemanta vaovao izay ahitana mpikambana 32 isa be izao ity, raha toa ka na ireo 20 isa mahery kely hatrany teo aloha aza mbola niteraka fitakiana sy fitokonana maro tetsy sy teroa tao anatin’izay fisasahana taom-piasana izay. Tsy maintsy filana vokatra na hoe “obligation de résultat” indray izany izao no resaka. Miaiky ve izany ny filoham-pirenena fa tsy fahombiazana no nisy tao anatin’izay 2 taona sy tapany na 3 taona latsaka kely lasa izay? Fahombiazana inona indray ihany koa moa izany izao nefa no resaka eto? Averina hatrany fa mbola maherin’ny 10.000 ariary ankehitriny ny ankamaroan’ny litatry ny menaka. Mbola manodidina ny 700 ariary ny ankapoben’ny vidin’ny iray amin’ny atody. Misy efa tafakatra 50.000 ariary ny vidin-tsaribao, izany hoe saika avo sasaky ny vidiny teo aloha. Saiky velon-taraina ny sehatra misy rehetra. Isany ny fizahantany, ny tontolon’ny orinasa, ny resaka angovo moa dia io mbola mihazohazo io ny momba azy, manomboka velom-panahiana amin’ny mety ho fiakaran’ny vidin-tsolika koa na ireo mpanao politika aza. Na tiana na tsy tiana ny maheno azy dia izay aloha amin’ny ankapobeny no zava-misy eto amin’ity Madagasikara ity. Efa saika namparan’ny solontenan’ny isan-tsehatra moa ny tena voa mafy indrindra dia ny lafiny sosialim-bahoaka. Saiky nitotongana daholo ihany koa anefa ny sehatra hafa. Tsy ny fanarenana izany ve aloha izany izao no tokony laharam-pahamehana? Sao dia tokony hoe “tsy manan-jo tsy hahatafarina” na koa hoe “tsy manan-jo tsy ho tafarina” aloha no atao resaka fa mbola tsy mila miresaka fahombiazana akory ?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap