airtel

Edito

07-avril-2021

Edito

Faizin’ny tanindrazana

Sample post image

Izao tokoa angamba ilay hoe tsy mendrika an’i Madagasikara ny olona mipetraka eo amboniny izay mbola

07-avril-2021

 

 

omeny vary sy laoka isan’andro hatreto. Fanehoan-kevitry ny mpanakanto iray nivahiny teto amin’ity gazety ity ny taona 2017 io saingy mbola maha lasa saina hatramin’izao rehefa mahita ny fitotonganan’ny tontolo rehetra iainantsika eto amin’ity nosy ity ankehitriny. Nanana ny tantaran’izany atao hoe areti-mandringana na “épidémie” sy areti-mandripaka na “pandémie” nandalo teto amin’izao tontolo izao izany ary maro tamin’ireny ny nandalo teto amintsika. Efa teto ny Sida, ny Cholera, ny pesta sy ny maro hafa. Raha resaka gripa koa aza dia efa nisy nilaza ho teto daholo na ny Chikungunia, na ny gripa aviaire, eny, hatramin’ny gripa espaniolina. Raha tsiahivina fohy ny tantara dia nahafaty olona hatramin’ny 500.000 isa maneran-tany ity aretina voalaza farany teo ity tamin’ny fotoan’androny rehefa natao ny tomban’ny andiany faharoa tamin’izany ary io andiany faharoa io no tena nandripaka olona tokoa. Heverin’ny maro ho niangaran’Andriamanitra manokana moa ity firenena ity na dia mbola ao anatin’ireo roa mahantra indrindra eran-tany aza amin’izao fotoana izao. Ekena tokoa fa na dia nandalo aza ireny areti-mandringana sy mandripaka ireny dia azo lazaina ho vitsy mihoatra ireo firenen-kafa ny Malagasy lasibatra tao anatin’izany. Maro ireo mihevitra fa mbola izay ihany koa no mitranga eto ankehitriny rehefa jerena ny tarehimarika mikasika ity valanaretina Coronavirus ity. Tsy takona afenina anefa etsy ankilan’izay fa misedra ny mafy indrindra kosa isika eo amin’ny fitotonganan’ny toekarena, ny sosialim-bahoaka, ny lafiny politika sy ny sehatra hafa rehetra ary tsy adino ny lafiny ara-tontolo iainana. Mbola isan’ireo renivohitra maloto rivotra indrindra ny renivohitr’i Gasikara. Na ny ala atsinanana aza ity miha ritra ihany rehefa tsy nisy valimbabena nataon’ny mpiray firenena taminy. Firifiry moa ireo faritra eto izay ahenoana ankehitriny fa miha tsy mamokatra ny taniny satria faizin’ny tanindrazana amin’izay isika rehefa tsy nahalala ny soa nataony tamintsika ?

J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap