airtel

Edito

02-juin-2022

Edito

Fampanantenana valamaty sisa

Sample post image

Tsy nisy fanjakana nampanantena zavatra betsaka indrindra sy fampandrosoana tsy hita pesimpesenina tahaka ity tao anatin’ny taon-jato maro teto amin’ny firenena. Lasa mivadika hoe:

02-juin-2022

tsy nisy fitondrana nampanantena poakaty betsaka indrindra rehefa tsy tanteraka ireny. Henjana ny filalaovany serasera, ka betsaka no mety lafony ariary fito. Raha ny 50% amin’izay fampanantenana nataony fotsiny no tanteraka efa tsy tahaka izao ity Gasikara ity. Asa mba firy isan-jaton’ny velirano 13 no tanteraka sy voafehy hatreto? Somary niova indray ny serasera tato ho ato ka tsy hay na leo sy fay amin’ny fampahatsiahivana ireo fampanantenana nivadika ho poakaty. Isan’ireny ny “digitalisation” hovitaina 10 andro ary hizarana solosaina isam-pokontany, fanambarana efa tamin’ny 8 aprily 2020; ny RN 13 efa tamin’ny taona 2020 no nolazaina fa hanomboka, nihemotra ny 2021, ary efa 2022 isika izao. Ny ozinina fanamboarana “éthanol” any Ambilobe izay ny 8 martsa 2019 no nametrahana vato fototra ary ny 8 desambra 2019 no nolazaina fa hanokanana azy,… Fay an’ireny ve ka toa tsy sahy milaza tetiandro intsony. Mikaoty ny arabo amin’ny resaka fanamboarana ny Tanamasoandro ary nilaza fa nahazo toky fa moa misy tetiandro mazava ve hahavitany araka ny vina nofaritana tany aloha? Lazaina fa ny orinasa Ejiptianina no nahazo ny tsenan’asa hanao ny “autoroute” makany Toamasina fa moa voafaritra ve hoe: tena handeha ve ny asa ary rahoviana no ho vita tanteraka? Vola avy aiza no hanaovana azy? Lasa fampanantenana valamaty sisa. Mbola maro ny zavatra azo tanisaina raha tsy hilaza afatsy ny: famokarana fiara Gasycar, ny tetezana mitsingevana na flyover eny Ampasika sy Anosizato,… Ankoatra ireny: tsy ilaozan’olana tsy voafehy ny Fanjakana: vidim-piainana, olan’ny fampianarana, fandaminana sy fanajariana ny Renivohitra,… Dia mbola sahy hilaza sy hanambara fa mahay mitantana ihany ve? Mbola hampitenenina ihany ve ireo olon’ny governemanta sy ireo solombavam-panjakana hiantso ny Filoha ankehitriny hanohy ny asa fampandrosoana. Angaha tsy marina intsony ilay hoe: hovitaiko ao anatin’ny 5 taona ny tsy vitan’ny teo aloha 60 taona. Hay tany amin’ny fahapotehan’ny firenenaa no vokatra misongadina nentiny. Tsy mba mahalala menatra sy tsy mahay manaja tena mihitsy ve e ?

Toky R


 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap