airtel

Edito

07-mars-2024

Fampatoriana vahoaka !

Dila izay ny 50 andro amin’ny 100 andron’ny

Sample post image

Fanjakana hitondrana vokatra azo tsapain-tànana ho an’ny Firenena.

07-mars-2024

Manao ranolava ny resaka ambony latabatra hoenti-mitatitra sy maneho fa tena miasa ny Fanjakana. Nanome toromarika ny Filoham-pirenena tao anatin’ny Filankevitry ny minisitra omaly, fa ankoatra ny fampandehanana ny asa andavanandro, ny ezaka atao ao anatin’ny 100 andro dia tokony hahitana tetikasa goavana sy miavaka izay hahazoana vokatra azo tsapain-tànana, mipaka amin’ny fiainam-bahoaka sy any amin’ny fandaharan’asan’ny Minisitera tsirairay. Angaha tsy efa tokony ho voafaritra any anatin’ny Politka ankampoben’ny Fanjakana izany sa izao vao samy hokaroka sy hieritreritra hoe : inona no tetikasa lehibe hasongadina sy handresen-dahatra ny Filoha ? Etsy an-kilany anefa, miha mitolefika hatrany ny Malagasy, miha sahirana tanteraka,… Tahaka ny tsy misy mpiahy hany ka viravirain’ny olana maro, mikorontana ambony ambany,… Mitohy ny bondongeron’ny sinoa mpanam-bola maka ny tanin’ny Malagasy, hany ka eny an-dalambe sisa hanehoan’ny olona ny hatezerany raha jerena amin’ny tranga tetsy Andohatapenaka. Ny tany Manakara misy andian’olona tsy faly amin’ny heveriny fa tsindrihazolena atao aminy, manohitra ny lamina apetraky ny manam-pahefana, ka tonga hatrany amin’ny fikomiana sy herisetra. Taratry ny krizy ateraky ny fahantrana lalina ireny, hany ka mety mitambatra sy asehon’ny olona any amin’ny toe-javatra iray ny fahasosorany maro lafy. Tsy tena misy anefa ny vahaolana hoenti-miady amin’ny fahantrana, fa toa miseho sy toa iniana roritina ny tranga sy toe-javatra hafa mba hamiliviliana ny saim-bahoaka ? Marina ohatra, fa tena zava-doza ary toherina amin’ny hery manontolo ny fanolanana zaza tsy ampy taona, ary mendrika sazy faran’izay mafy. Ny tsikaritra anefa dia toa tranga iray na lohahevitra iray no zary mibahana ny adihevitra sy ny fiainam-piarahamonina, ka adino fa ny vary anie efa manodidina ny 1000Ar ny kapoaka eto an-drenivohitra, ary misy faritra tafakatra 1700Ar noho ny haratisan-dàlana. Toa takona sy hodiana tsy hita fa ny tanim-bahoaka anie sy tanim-panjakana anie, ka mihazakazaka ny famaritana ataon’ny vahiny haka azy ambongadiny. Akaiky ny fifidianana solombavambahoaka dia hodiana sarontsaronana ny olana, ary haodina ny saim-bahoaka mba tsy hitodika any amin’ny fahantrany sy ny tsy fahombiazam-pitantanana ka tokony hampifoha azy amin’ny maha olom-pirenena. Ny fanadihadian’ny manam-pahaizana dia milaza fa antony roa no tena mampihetsika ny vahoaka dia na izy maty voky ka te haneho ny heriny hitaky zava-baovao, na izy maty noana ka tsy manana hery hihetsehana sy hanoherana ireo tsy fanjariana samihafa. Ny rehetra no mandinika hoe : inona ilay misy amin’izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

Card image cap
15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap