airtel

Edito

18-sept-2023

Fanabadoana faobe!

Lalan’ny mankany amin’ny fanabadoana

Sample post image

faobe ity raharaham-pirenena eto Madagasikara ity rehefa jerena ny fivoaran’ny

18-sept-2023

toe-draharaha izay tsy hita intsony hoe inona no mety mba ho entiny amin’ilay fanatsarana ny fiainan’ny vahoaka isan’andro? Sesilany ny fanambaran’ny herivelona maro eto amin’ny firenena hatrany am-pitan-dranomasina ny amin’ny tsy tokony hanekena intsony ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena ny nisahana izany teo aloha, Andry Rajoelina, satria hoe efa lasa vazaha, frantsay ranoray, raha ny taratasy momba azy no jeren’izy ireo. Isan’ny teboka lehibe anatin’izany koa ny tsy fanekena ny fandavan’ny filohan’ny antenimieran-doholona ny fahefana maha filoham-pirenena mpisolo toerana tokony no noraisiny, indrindra moa fa ny hoe nanipazana izany fahefana izany ho iarahan’ny governemanta manontolo mijoro ankehitriny ho mitantana. Andrasana ihany hoe inona izany no dingana na fanatonana ataon’ny mpanohitra sy ireo herivelona ivelan’ny fitondrana ankoatran’ny resaka fanambarana mba hahatongavana amin’izay saingy iaraha-mahatazana izao fa leo fanambarana ny mpanara-baovao? Manao fanambarana koa ny sasany fa tokony esorina manomboka amin’ity alatsinainy ity any anatin’ireo biraom-panjakana isan-tokony amin’izay ny sarin’ny filoham-pirenena teo aloha, Andry Rajoelina, satria efa tsy filoham-pirenena intsony izy fa nametra-pialana. Mamaly izany ny fiadidiana ny repoblika anefa, raha ny taratasy niparitaka ny faran’ny herinandro teo, fa ny fomba tamin’ireo repoblika nifandimby dia mijanona eo aloha ny sary mandra-pahatonga izay ho filoham-pirenena vaovao. Angaha moa efa nisy lalàna nilaza fa mametra-pialana 60 andro mialoha ny filoham-pirenena mbola hirotsaka talohan’ny lalàm-panorenan’ny repoblika faha 4 izay nofidiana tamin’ny karnem-pokontany ny taona 2010? Raha tena tsy ara-dalàna tokoa ilay fanalana sary, maninona no tsy tonga dia naseho ny andinin-dalàna milaza izany? Na izany na tsy izany, ny sarin’ny kandida Andry Rajoelina mbola mipetraka na tsy mipetraka intsony any anaty biraom-panjakana ve izao no tena olana sa ity fiainam-bahoaka atakalon’ny mpiaradia amin’ny mpitondra sy mpanohitra na mpanao politika sasany ady saritaka mialohan’ny fifidianana ity? Inona no olan’ny mpanohitra raha mijanona ao ny sary ary inona koa no olan’ny mpitondra raha mba alana tao amin’izay izany sa dia tena fahafinaretana tsy misy toy izany ny mampiaina vahoaka anaty fanabadoana faobe hatrany?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap