airtel

Edito

07-juil-2022

Edito

Fandemen-tsaina

Sample post image

Fandemen-tsaina sisa hany tena paikady hoentin’ny Fanjakana Rajoelina miatrika olana sy mandresy lahatra vahoaka.

07-juil-2022

Mandeha ny fampitahana zavatra tsy mitovy, fandraisana ohatra ny any ivelany amin’ny resaka vidin-tsolika, toy ny hoe : ny any Afrika efa manodidina ny 8000Ar ny any Eoropa efa mihoatra ny 2euros izany hoe : maherin’ny 10 000Ar, fa ny antsika mbola izao sy izao. Maninona raha hampitoviana amin’ny fari-piainan’ny olona any aloha ny fari-piainan’ny Malagasy ary e ? Toy ny efa fanaboriboriana resaka tany aloha mikasika ny coronavirus ihany io. Zary natao fialana bala lava, saingy samy niaina an’izany izao tontolo izao. Isika izay nolazaina tamin’ireny fa hanavotra izao tontolo izao ka nampiasaina hatramin’ny mpaminany sandoka, nolazaina fa isika no ho lasa sangany aty Afrika,… Sangany sy tompondakan’ny ronono an-tavy sy ny fampanofinofisana fa votsa fiasa any amin’ny fampandrosoana sy famahana ny olana ifoton’ny firenena. Samy nisedra coronavirus izao ihany koa nahoana ny olona no tafarina sy afaka miaina ihany ary misy aza ny nahavita nanomana ady? Nahoana kosa isika no mihazakazaka mihemotra makany amin’ny rambony? Rehefa tsy ny mpanohitra no lazaina fa misakana fandrosoana, dia ny coronavirus no fositra sy fanilihana lava, ary izao indray ny ady Ukraine,… Tsy misy adala eto, ka faly handeha hanendri-dresy kanefa hoe: ny Fanjakana aza mba sahirana, izy aza efa manao izay ezaka famahana olana sy ny sisa,… Raha tsara tantana firenena tsy hisy handeha hanakiana sy hanenjika azy eo, fa matoa ny olona manakiana sy mitsikera ary milaza mihitsy fa halavirina ohatran’ny fasam-bao ny famerenana an’io eo amin’ny fitondrana amin’ny 2023, dia ao raha! Manampy ny mpitondra sy mankahery no ataon’ny olona raha Fanjakana tsara tantana no misy, saingy tsy izay no miseho fa fitantanana feno halatra, anjakan’ny kolikoly, tototry ny fahaiza-manao, mpampidi-kizo firenena,… Mazava ny tokony ho setrin’izany amin’ny latsa-bato raha fifidianana madio sy marina tokoa no handeha.
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap