airtel

Edito

12-avril-2022

Edito

Fandemen-tsaina, fanabadoana,…

Sample post image

Tsy tongatonga ho azy itony kazarana antontan’isan’ny tsapan-kevitra mivoaka itony, izay milaza fa 53% amin’ny vahoaka no mbola vonona hanome fitokisana ny Filoha am-perin’asa Andry Rajoelina amin’ny fifidianana Filoham-pirenena amin’ny 2023.

12-avril-2022

 Ny tahan’ny fahatanterahan’ny fampanantenana anefa voalaza fa 11,54% aty amin’ny telo taona sy tapany nitondrana. Raha raisina amin’io fotsiny, midika izany fa fampanantenana poakaty sy fandrebirebena saim-bahoaka mba hahazoana mpifidy fotsiny no betsaka tamin’ny 2018, fa ny fanatanterahana miadana noho ny sokatra ny fandehany. Na vahoaka dondrona sy kentrina tahaka ny inona aza ve dia mbola lalaovina amin’izany ny sainy fa mety mbola ho lany amin’ny salan’isa ambony ihany ny Filoha ankehitriny amin’ity fiainam-pirenena tsy mandeha amin’izay laoniny: fahantrana lalina, vidim-piainana midangana, kolikoly mandifotr’olona,… izay ny depiote volomboasary aza sahy miteny fa na tamin’ny Fanjakana HVM aza tsy nisy tahaka izao. Na inona na inona ambara sy holazaina, ity Fanjakana Rajoelina ity no tsy nahay nitondra indrindra, fa lasan-ko vavany toa haron-tabebaka fotsiny, raha ny tantara no zohiana. Ny fampanantenana mipoapoaka sy manaka-danitra, fa ny fanatanterahana tsy mahadingana tokonana, raha raisina amin’io antontan’isa sy zava-misy io. Noventesina tamin’ny 2018 fa ny hahatongavana eo ny ela, tsy mila ary tsy miankin-doha amin’ny fanampiana avy amin’ny mpamatsy vola mahazatra,… Inona akory no teo. Santionan-javatra no atao fitaovana sy hireharehana fa ireo tena asa goavana ilain’ny vahoaka aloha, toa fahagagana sisa ny hahatanterahany ato anatin’ny herintaona sy tapany. Asa firy isan-jato izao no vita amin’ny RN 13 nanaovana voady fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita. Nolazaina fa tsy maintsy hanomboka ny faran’ny 2020, faran’ny 2021,… Efa misy loharanom-bola ve? Tahaka izany ihany koa ny árabe migodana na “autoroute” hoe: misy azo antenaina ihany ve amin’izao fitondrana izao amin’ny fitadiavana 3 miliara dolara? Aleo tsiahivina ihany ny Fly Over, pipeline na fitarihan-drano lehibe any Atsimo,… sao ho tahaka ilay tramway efa tamin’ny tetezamita fa efa any anaty sambo. Mbola azo inoan-teny sy mendrika homena fitokisana ve amin’ny 2023?
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap