airtel

Edito

18-juil-2022

Edito

Fandemen-tsaina lava

Sample post image

Mizotra mankany mankany amin’ny fahasahiranana ny firenena Malagasy. Samy mametra-panontaniana ny rehetra hoe: rahoviana vao hisy masoandro mihiratra ?

18-juil-2022

Rahoviana vao hisy vahaolana mahomby? Tsy manana antoka sy fanantenana firy, ary toa tezaina amin’ny fandemen-tsaina manara-penitra hanaiky fa izao no mety, miezaka ny Fanjakana, mbola ratsy noho izao raha ny hafa no nitantana teo,… Ezahina alentika ao an-tsain’ny olom-pirenena fa vao mainka ho krizy raha mitroatra eo indray. Ny fihetsiky ny manam-pahefana anefa toa tsy ahitana taratra firy ny fiaraha-mizaka fahoriana amin’ny rehetra, tsy hita taratra ny tena finiavana am-pahitsiana hanavotra ny vahoaka ao anaty fahantrana fa saritsarim-bahaolana, fampalazana tena, fangoronan-karena,… no betsaka. Ny Malagasy dotoany amin’ny fandemen-tsaina sy fanabadoana lava, fa izy ny ataony ihany no ataony. Mandavan-taona olana foana, tsy mety mivaha vao mainka mihombo, saingy lazainy fa tsy mora ny manao zavatra, ary tsy vita iray andro ny fampandrosoana. Tany aloha nolazainy fa ao anatin’ny 5 taona no hanatanterahany ny tsy vitan’ireo mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona, saingy aty aoriana indray voiziny fa mila fifandimbiasam-pahefana ara-demokratika in’efatra eo vao ho tafavoaka ny firenena. Izy no lasa mpanome lesona rehefa te hiaro seza amin’ny tsy fahombiazana. Na tsy mieritreritra ny hanongana azy aza ny hafa satria efa nahazo lesona tamin’ny tantara, dia izy no mahana tsy henjehina. Mahari-pery ny Malagasy, mipetrapetraka sy tony na efa betsaka aza ny tsy rariny. Misy anefa ny fomba fiteny hoe: ny biby hanaikitra tsy mba mivovo izany sao ho diso hevitra eo fa hahomby mandrakariva ny fandemen-tsaina manara-penitra sy ny fiheverana ny vahoaka ho bado sy dondrona, ka azo fitahina sy hambakaina mandrakariva. Misy fetra ny zava-drehetra, misy fetrany ny faharetana! Tsy misy hiasa maina ary tsy misy hiala maina ka sao tsy ho zaka ny vokany?
Toky R

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap