airtel

Edito

12-déc-2022

Edito

Fandemen-tsaina manara-penitra

Sample post image

Fomba firesaka re matetika rehefa mandray fanapahan-kevitra ara-panjakana na ara-politika eto ny hoe: “Noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena”,

12-déc-2022

saingy rehefa tena jerena sy halalinina toa zary lasa fanesoana io. Lasa karazana fandemen-tsaina manara-penitra hoenti-manamarin-tena eo anatrehan’ny fanapahan-kevitra mety ho sarotsarotra, ary tsy ny tombotsoan’ny firenena matetika no tena jerena fa ny tombotsoa ambonin’ny mpanao politika. Ohatra iray mivaingana io politika avo lenta tamin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta nitsefotra iny. Marina fa mety nisy lesoka teo amin’ny toetra amam-pihetsika nataon’ny antenimieram-pirenena hatramin’izay, fa raha mijery ny votoatin’ny fitoriana ve dia tena hoe: sady tsy azo raisina no tsy mitombina ny fiampangana? Dia tena noho ny tombotsoa ambonin’ny firenena ve ny nitsipahana azy sa noho ny baiko sy tombotsoa politikan’olona iray na vondron’olona vitsivitsy? Moa ve tena resy lahatra 100% na andeha atao hoe 50% mihitsy aza amin’ny asan’ny governemanta ny Filoham-pirenena ka nisafidy fa aleo tsy miditra amin’ny fandravana? Ny vahoaka hatrany no toa atao sorona hanaiky tsy fidiny fa io aloha no misy, io aloha no mety,… Voizina hatrany ny hoe: tsy mila krizy, tsy mila korontana intsony ny firenena. Tsy mifanaraka amin’izany anefa ny toetra amam-pihetsika ataon’ny mpitondra, fa vao mainka manao ny ataony, miakatra ny daozin’ny tsy fahaiza-mitantana, afera maloto, kolikoly, halatra,… Ny firenena miha mahantra fadiranovana ary teraka ho azy fa tsy mila volena akory ny krizy miseho amin’ny endriny maro. Ny hany paikady dia ny mampanantena, manaratsy ny hafa,… Lemena ny sain’ny vahoaka fa vao mainka ho loza raha mbola hitroatra eo anatrehan’izao. Izy ireo anefa tsy mba hanitsy fiasa sy fitondran-tena, mitombo ny ambaindahin’ny harena amam-pananany fa ny maro an’isa miha mikorosy fahana. Ny fandalinan’ny mpandinika dia hoe: zavatra roa no atao raha tsy hampihetsika sy tsy hampitroatra vahoaka dia na atao maty voky, na atao maty noana, ka anjaran’ny tsirairay no mandinika hoe: iza amin’ireo no misy eto. Mandeha ny fandemen-tsaina manara-penitra fa tsy ilaina intsony ny mijoro hitaky ny tsara kokoa satria vao mainka hiteraka krizy, kanefa ny tsy fahaiza-mitantana sy famotehana firenena dia efa krizy lalina mila hiadiana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap