airtel

Edito

16-mai-2024

Fandrendrehana sy famoretana vahoaka sisa !

May ny endim-boanjo dia mihazakazaka manao propagandy

Sample post image

ankolaka hatramin’ny filoham-pirenena mba hampandaniana ny kandida volombosary.

16-mai-2024

Atao fitaovana ny fahefam-panjakana, ny volam-panjakana, fananam-panjakana,… satria ireo zavatra zaraina ohatra, dia tsy volan’ny TGV na IRMAR fa volam-panjakana. Atao ireny mba hanakonana ny tsy fahombiazana sy hampanadinoana vetivety ny tsy fahombiazan’ny mpitondra. Mandeha hatramin’ny endri-javatra toa sanatria hanarinariana dia ny vahoaka, raha tsy hilaza afatsy ny didy 10 taona an-terivozona sy onitra 2,5 miliara Ar avy an’ireo Tale Jeneralin’ny Jirama roalahy teo aloha. Ingahy Vonjy Andriamanga izay minisitra tao anatin’ny fitondrana Rajoelina sy Atoa Rivo Radanielina izay olona notendren’ny fitondrana dia nisitraka 144 tapitrisa Ar sy 112 tapitrisa, ary efa 2 taona lasa no vaky ny afera koa nahoana no efa tafaporitsaka na nalefa nitsoaka any ivelany vao namoahana didy fampisamborana sy didy fanagadrana ? Marina fa tena tokony hatao izany kanefa lasa ny alika vao manangom-bato ! Dia io ihany koa fa hoe : nampodiana aty Madagasikara ireo roalahy tratra nitondra ny volamena 73kg mahery tany Afrika atsimo ny desambra 2021, saingy indrisy fa ny olona tonga, fa ny harena naman’ny very an-javony any. Dia tena miasa ve ny Fanjakana amin’izany ? Vaovao nanamarika ny 48ora lasa ireny, fa betsaka ny taratra maneho ny tsy fisian’ny Fanjakana tsara tantana, fahapotehan’ny firenena, fihemorana ara-toekarena,… Iny tsy nisorona iny eveka katolika, fa tapitra potika ny làlana, tena manjaka ny kolikoly, mitombe ny maro an’isa latsaka anaty fahantrana lalina,… Toa tsy maharototra ny mpitondra ireny, fa ny masaka ao an-dohan’izy ireo dia ahoana no hanamaroana sy hanamafisana ny seza miorina eo ambany fahoriam-bahoaka ? Ahoana no hanabadoana hatrany ny Malagasy afaha-manambaka azy sy mambotry ny harena eto ? Tsy te hahalala izay tsikera sy fampanenoana lakolosy mandeha any, ka ny ato anatiny tsy henoina sy tsy raharahiana, ny avy any ivelany atsangana ho fahavalo,… Asa mandra-pahoviana handaitra ny fandrendrehana sy famoretana ka hampisotroana ny rano tsy tiana ny Malagasy io ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap