airtel

Edito

21-déc-2022

Edito

Fanerena manara-penitra

Sample post image

Tery ny toekarena. Mitaraina ho tsy afa-mivelatra sy tsy afa-mihary araka ny tokony ho izy ireo mpandraharaha, indrindra,

21-déc-2022

ireo mpandraharaha madinika. Ambivitra sy mampiahiahy ho votsotra tanteraka eo am-pelantanan’ny firenena ireo hany sisa mba heverina ho orinasam-panjakana malagasy toy ny Jirama, Air Madagascar, Kraomita malagasy sy ny ambiny rehetra. Tery ny sosialy. Mbola misy ampahany betsaka amin’ilay resaka toekarena teo koa io satria dia ny kaompanian-tsolika vahiny izany no mifehy ny famatsiana solika eto amin’ity firenena ity. Voafehy miaraka amin’izany koa ny fahafaha-manjifa ireo filana an-davan’andro. Anaran’ilay firenena mba firenena natao hihary anaty fambolena kanefa dia ny fanafarana vary no hireharehan’ny fitondram-panjakana. Averina matetika fa tantsaha ny 80%n’ny vahoaka malagasy. Mpamboly sy mpiompy kanefa dia hatramin’ny omby vavy be ronono sy akoho fakana nofo koa nafarana teto. Aiza intsony izany sisa no mba lalam-pihariana natao ho an’ireo tantsaha malagasy ao anatin’ity firenena mbola misy velarantany midadasika marobe mipetra-potsiny izay tsy hita hatramin’izao ity izay tena fepetra sy politika mazava tian’ny fitondrana mijoro hampiharina aminy ity. Tery koa ankehitriny ny falalahana maneho hevitra, raha tsy hilaza afa-tsy ny nahazo ilay mpampaneno lakolosy namoahana didim-pitsarana omaly iny fotsiny. Omaly koa moa ilay antony vao nahazoana fampalalam-baovao raha toa ka hatramin’ny alakamisy teo izay nitrangan’ny fisamborana mbola samy nanontany daholo ny rehetra hoe fa naninona? Inona izany ilay fitarihana fanonganam-panjakana hoe anton’ilay sazy miantona 18 volana? Firenena demokratika ve tokony hanome izany sazy miantona 6 volana noho ny famorian’olona tsy nahazoana alalana izany? Sanatria ho tanterahan’ity fitondrana ity tokoa ve ilay voalaza ho nambaran’ny mpampaneno lakolosy iray hafa mbola voahidy any Antanimora any hoe hipoaka io ao aorian’ny fety? Tery aloha izany ny sehatra, raha izay no azo amintinana azy, ka enga anie mba ho hita ara-potoana tokoa ny vahaolana mba hahafahan’ny vahoaka miaina kely ihany na dia mbola tsy araka ny tokony ho izy aza fa tsy sanatria vao mainka hisy fanerena manara-penitra kokoa noho izao indray ka hampitroatra azy.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

tsy mety mandroso mba tsy hilazana hoe tsy maintsy mihemotra hatrany aloha hatreto no miseho.

Card image cap