airtel

Edito

28-janv-2022

Edito

Fanjakana vonjy tavanan’andro

Sample post image

Tsy adala tokoa ny Ntaolo raha nanao ilay oha-pitenenana hoe : « Ny tànana efa zatra mitsotra, tsy mivokona intsony ».

28-janv-2022

Tsy misy fivoarana ny politikam-panjakana eo anatrehan'ny zava-misy sy miseho ankehitriny, fa ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra. Miaina amin’ny politikan’ny kitolototolotra sy ny kizarazara, dia samy miala. Vonjy tavanandro hatrany no misongadina, fa izay politika maty paika hanarenana ny firenena tsy misy. Fampalazana tena no betsaka, hany ka mahavita mamoa-tsampona mihitsy noho ny kajy politika. Ezahina hatramin’ny manarona sy manova ho amin’ny anaran’ny mpitondra mpanao politika ny fanomezana na vola izay miainga amin’ny volam-panjakana sy fanomezana iraisam-pirenena. Tsy tsapan’ireto Mpitondra fa ny fihetsiny izay toa mamoafady anie, ka lasa sazy ho an’ny Malagasy. Misy ny mpandinika manakiana mafy ankehitriny eo anatrehan’ny hoe: fanomezana iraisam-pirenena, dia ezahina takonana sy havadika ho amin’ny anaran’ny mpitondra. Iny nibaribary toy ny tafika andrefan-tànana tany Moramanga ny alarobia teo ny hoe: ny orinasa sinoa izay nahazo toromarika tamin’ny masoivohony no nanao sy namita ny tetezam-by vonjimaika tasy Moramanga, saingy ny Mpitondra no mirehareha ho nahavita vahaolana tao anatin’ny fotoana fohy, tsy an-kanonona ireo nanao ny asa. May ny endim-boanjo, ka ezahina japiana sy hampalazana tena izao rehetra izao, kanefa politikan’ny vonjy tavanandro no tena ampiainana ny vahoaka eto, fa tsy misy sori-dàlana mazava hitondrana ny firenena intsony. Tena lasa Fanjakana vonjy tavanandro, mpitantana sy mpandrindra krizy amin’ny vahaolana antematemaka sisa no misy. Manoloana izany, mila manokatra masom-panahy ny rehetra, raha maniry fivoarana. Ny jamba aza efa mantsy efa tsy fidiny, fa ny minia jamba sy mikipy eo anatrehan'ny fahapotehan'ny firenena no fahadisoana goavana indraindra. Betsaka ny jamba ara-tsaina sy ara-panahy ka araraotina amin'ny fahalemeny, fa tsy mba tarihina hihoitra. Hampanjakaina ny politikan'ny fahabadoana, ka hararaotina ny zava-drehetra hanasongadinan-tena fa io i Mesia mpamaha ny olan'ny Malagasy. Ny maty fanahy mihevitra ny Malagasy ho bado sy jamba mandrakariva ka manery ny didohany sy ny revin-gadrany ho ekena fa marina no namotika ity Firenena ity. Raha mitohy anefa ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra, hoy ny fitenenana, koa samia ho ela velona satria izay nafafy no tsy maintsy hojinjaina, tsy hisy hiasa maina, ary tsy hisy hiala maina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap