airtel

Edito

20-janv-2025

Fanompana !

Nokianina mafy sy natao tsakin’ady ny

Sample post image

mpitondra teo aloha izay solafaka tamin’ny filazana hoe :

20-janv-2025

Porofoy amiko fa mahantra ny Malagasy » kanefa dia ranolava ankehitriny ny endrika fanadiovan-tenan’ny mpitondra entina hilazana fa tsy mahantra i Madagasikara. Hafa indray raha ilay firesahana hoe : mahantra eo ambonin’ny harena noho ny fitsinjaran-karena mitanila eto satria iaraha-mahita tokoa hoe : manana harena tsy hita noanoa isika na ambon’ny tany na ambanin’ny tany, saingy tsy mivadika ho fanoitra handresena ny fahantrana fa olom-bitsy no migalabona sy manjaka aminy. Ny endrika ivelany mihitsy no noraisin’ny mpitondra firenena laharana faharoa eto amintsika, ka nilazana fa tsy mahantra i Madagasikara satria misy fitohanan’ny fifamoivoizana, misy olona miantsena any amin’ny tsena lehibe na « grandes surfaces », afaka mivoaka alina,… Mampanongo tena sy mahalasa saina ny làlan-tsaina entin’ny mpitondra sasany miaro ny tsy fahombiazan’ny Fanjakana. Indraindray toa mampametra-panontaniana hoe : tsy aleo ve tsy miteny toy izay miteniteny foana toa zary lasa maneso sy manompa vahoaka ? Tsapa sy tsikaritra tato ho ato ny vava tsy ambina sy resaka hafahafa ataon’ny mpitondra, eny fa na ny hatrany amin’ny farantampony aza. Minia mikipy sa tsy tena mahalala ny zava-misy iainan’ny vahoaka Malagasy ? Diso avokoa ve ireo tondro ara-toekerana samihafa mikasika an’i Madagasikara raha toy ny tondro momba ny fivoaran’ny maha olona na IDH (Indice de Développement Humain) refesina amin’ny resaka fahasalamana sy fanantenana ho velona na « espérance de vie », fampianarana, fari-piainana, izay zara raha nahazo naoty 0,487 isika ny taona 2024 ary eo amin’ny laharana faha-177 amin’ny Firenena 193 eran-tany. Izany ve no atao hoe : Fandrosoana ? Sao mba efa tafahoatra ilay fanesoana sy fanompana ny Malagasy ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

fiarahamonina na filazàm-baovao mihitsy ny hoe

Card image cap
06-févr-2025

Tsy misy Firenena mandroso fahatany na aiza na aiza aleha eto ambonin’ny tany, fa mitaky ezaka,

Card image cap