airtel

Edito

23-juin-2021

Edito

Feno fisalasalana

Sample post image

Fiarahamonina feno fisalasalana ! Izay izany hatreto no azo hamintinana ny fiarahamonina naniry teto amin’ity firenena ity tao anatin’izay 2 taona sy tapany izay.

23-juin-2021

 Zary miteraka fisalasalana hatrany ny ankamaroan’ny fanapahan-kevitra sy zava-misy teto amin’ity firenena ity tato ho ato izay ary vokany moa, mazava ho azy, dia na taraiky ny fanapahan-kevitra na mitohivakana ny karazana tsy fankatoavana avy amin’ireo lazaina fa mpiara-miombon’antoka rehetra. Manginy fotsiny ny fahantrana sy fahoriam-bahoaka aterak’izany sy mbola iainan’ny Malagasy hatramin’izao. Nisalasalana tany am-boalohany ny fanidina sisintany. Vokany, tafiditra ny areti-mandripaka mampivarina ny sosialy sy toekarena hatramin’izao. Isalasalana hatrany io ny fitakiana ireo nosy manodidina. Vokany, miha lasan’ny vahiny ambongadiny hatramin’ny tany sasany ato anatiny. Nisalasalana ny nampiditra vakisiny. Vokany, vao miha mitombo ny fisalasalan’ny fiarahamonina manoloana ny tsy fankatoavan’ny firenena eoropeanina ny vakisiny nekena niditra eto. Tsy misy zavatra izay mifandraika amin’ny fitantanan-draharaha sy fandraisana andraikim-panjakana eto ankehitriny ka tsy mampisalasala. Mampisalasala hatramin’ny lazaina fa fanafody vokatra Malagasy toy ny CVO sy CVO+. Ho voavahan’izao fitondrana izao mandra-pahatapitry ny taom-piasany ihany ve izao olana mankadiry amin’ny sehatra rehetra eto amin’ny firenena izao? Na sosialy na toekarena na politika na kolontsaina na inona dia samy mbola mampametra-panontaniana daholo hoe mbola hisy varany ve izany rehetra izany afaka 10 taona? Na ny hery ankavanana na ankavia izao samy resy lahatra fa tsy feno ny fahaleovantenantsika na koa hoe sarintsariny. Raha izao no zava-misy, rahoviana izany no tena ho azo ny fahaleovantena feno? Manana ny hery ampy hisedrana izany rehetra izany ve izao fitondrana izao? Mampisalasala !
J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap