airtel

Edito

13-oct-2021

Edito

Feno ny kapoaka

Sample post image

Tsy lavina ny fisiana hetsika samihafa ataon’ny Filoha sy ny fitondram-panjakana ankehitriny, izay miezaka mamorona zavatra mila ho isan’andro hanaovana sehoseho.

13-oct-2021

 Na zavatra tokony ho voatokan’ny ben’ny tanàna, olom-boafidy, na minisitra aza,… dia mila ny sarin’ny Filoham-pirenena no mila haseho isan’andro. Tena miharihary ny maha olon’ny dokam-barotra azy nialohan’ny naha mpanao politika, ary dia mifameno tanteraka ireo fahaiza-manao ireo. Henjana ny filazana fa tsy nanao na inona na inona ireo fitondrana nifanesy, fa ny ankehitriny no anjely tonga hanavotra an’I Madagasikara. Na eo aza anefa ireny fandokafan-tena farantampony ireny, dia tsy mahatakona ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena mibaribary eto amin’ny firenena. Maneno sahona ny zava-drehetra, saingy asa hoe: rehefa iza no hijoro sy hanaitra fa tsy mety intsony izao vao hino. Ny zava-miseho mantsy, dia mbola mahasahy manao vava tsy ambina matetika, mbola mahasahy miteniteny foana amin’ny eritreritra toa manidintsidina,… Mbola sahy hiteny ihany ve fa ambadika politika ireny hetsika ateraky ny olana samihafa tsy voavaha ireny? Asa hanao ahoana re ny ho fihodin’ity politika ity e? Hanao ahoana no fiafaran’ity Fanjakana ity? Na inona na inona aloha fandokafan-tena sy fanehoana isan’andro fa miasa, dia miharihary any anaty vilanin’ny olona ny fahasahiranana, ny fahatsapana fa tena tsy miantraika any aminy ny ambara fa fampandrosoana sy tetikasa goavana tanisaina etsy sy eroa. Tsy resaka fandokafana tsangan’olona, fa ilay iraikalahy fahiny niezaka naneho fa tena niasa, nifantoka kokoa tamin’ny politika mijery ny laharam-pahamehana mifandraika amin’ny Malagasy, voasokajy ho fitaritry ny fandrosoana ara-toekarena taty Afrika,… aza niongana, mainka fa ny toa tsy sasatry ny mampandrevirevy andro aman’alina vahoaka fa ny vokatra tena tsy hita soritra? Fahiny, 800Ar hatramin’ny 1000Ar ny kilaon’ny vary no nentina natao fitaovana hoe: homboy io fa hataontsika 500Ar io vary io. Izao vary 1000Ar tonga hatrany amin’ny 2500Ar raha kely dia inona no tokony hatao? Mbola Merci Prezida ve? Mila manao raki-pisaorana ny Fanjakana ankehitriny, fa efa tonga saina ny vahoaka Malagasy satria nahazo lesona tamin’ny 2009 fa raha izao zava-miseho izao dia efa tonga amin’ilay fitenenana hoe: “feno ny kapoaka”!
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap