manao izay fomba rehetra hitazonana io fahefana io. Tsy mijanona eto an-toerana fa manomboka miampita ranomasina ny fiantsoana vonjy sy tohana mivantana na ankolaka, kanefa toa vao mainka misy miampanga ho mpamadika tanindrazana noho ny maha vazaha an-taratasy. Herinandro mahery izao no tsy maha eto an-toerana ny Filoham-pirenena. Mandeha indray ny fanaovana serasera manaka-danitra, fitadiavana doka samihafa,… Taorian’ny fihaonana tamin’ny Filoha Frantsay mantsy dia tany Genève niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena momba ny asa. Isika rehetra no manontany tena hoe: manao ahoana ny fijeren’ny Fanjakana ankehitriny izany resaka asa izany? Manao ahoana ny antontan’isa sy ny tarehimarika? Mena ny tondro! Ny Filoha lasa lavitra, maneho fahatokisan-tena mbola ho lany, fa ny toe-draharaha eto toa manomboka mifampitandroka sy mampidera sandry, eny fa na mpanao politika sivily aza toa mitady tsy hatahotra miaramilam-panjakana! Ara-diplaomasia, rehefa manakiana mafy ny vahiny fa misy ny tsy fanajana ny demokrasia, fanitsakitsahana ny fahalalahana maneho hevitra raha namoaka ilay didy mandrara ny fahafahana mamory vahoaka an-kalamanjana ny Minisiteran’ny atitany, dia mailaka ny famaliana fa manana ny fiandrianany I Madagasikara, ny mpitondra Malagasy no mahalala kokoa sy tompon’andraikitra feno ary malalaka amin’izay heverina fa hampilamina ny tany sy ny fireneny,… Ny Vondrona Eoropeanina no nanao fanakianana mivaivay ny fitondrana ary ao anatin’io rafitra io I Lafrantsa. Aty aoriana anefa, dia raikitra ny karazana antso vonjy tany, ka dia noderaina sy nankalazaina mafy indray fa dia vonona sy hanolo-tànana ara-bola ny fifidianana hono ity firenena mpifamatotra ara-tantara amintsika ity. Notanisaina ihany koa fa vonona hanohana tanteraka ny fandaharan’asa PEM izay an’ny Fanjakana ankehitriny. Rehefa somary manohintohina ny tombotsoa politika dia fiandrianam-pirenena fa rehefa misy hirika ho amin’ny tombotsoa dia hikipiana? Rehefa tratry ny kiana dia tsy ny Eoropeanina no tokony hanome lesona anay fa raha vao fifanarahana avo lenta dia « oui Monsieur!»? Fiandrianam-pirenena sa fiandrianan’ny seza politika ilay tena katsahina? Tsy ny fiaraha-miasa aminy no ratsy, tsy afaka ny hiolonolona eto isika, fa hanao ahoana ny mety ho fisehon’ny politika avo lenta? Tena sahy mihaniana fa tsy maharesy ny mena miraviravy ho setrin’ny famadihana tanindrazana ve ny mpitondra na ny mpanao politika ?
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
amin’ny alalan’ireo rantsa-mangaikany samihafa toy ny JIRAMA, fa tsy