airtel

Edito

23-févr-2023

Edito

Fihetsiketsehana ivelany sisa

Sample post image

Nisy fanovana ny endriky ny governemanta dia inona no zavatra mivaingana antenaina? Moa tsy efa fanindiminy na fanineniny nisy fikitihana fa aiza ho aiza ny vokatra?

23-févr-2023

Toa tahaka ny hoe: hanao zavatra be, tahaka ny fiaingana vaovao ho an’ilay fitondrana na dia efa azo isaina amin’ny rantsan-tànana aza ny volana fa tsy taona akory iasana. Fankahalana raha hiteny hoe: tsy niasa sy tsy nanao zavatra izao fitondrana izao, saingy tsy araka ny nandrasan’ny vahoaka taminy. Toa velirano mandavan-taona, ka aty amin’ny farany mbola misy hoe: fomba fiasa vaovao e! velirano vaovao e! vokatra isaky ny 3 volana na 6 volana e! Sao dia tonga amin’ilay vazivazy sy fanoharana ihany koa ity resaka ity hoe: raha heverina ho toy ny fiara dia ny kodiarana no soloina ho tsara tarehy sy mamirapiratra kanefa ny maotera mihitsy no efa tsy velona tsy afaka hahatarika ny vatan’ny fiara iray manontolo? Mbola raharaha hafa ny fahasosoran’ireo mihevi-tena ho nifofotra sy nively vy, namono tena nandrombaka fahefana, kanefa mahatsapa fa tsy mba misitraka, fa ny vao omaly hono no mahazo laka. Mifanome lagy sy mifanao ampamoaka eo, hany ka mihà tanteraka ny lamba maloto. Dia atao mahagaga ve raha izao no manjo ny firenena kanefa ny olana anatin’ny mpitondra aza tsy voalamina. Rehefa zohiana, toa ny seho ivelany sy ny serasera sisa no lalaovina fa izay famahana ny olana sy fampandrosoana ny firenena toa tsy misy zavatra betsaka azo antenaina. Jereo amin’ireny omaly ireny, fihetsiketsehana no betsaka, ary ny tena mampalahelo dia ny fifanojoany tamin’ny toe-draharaha manjombona teto amin’ny firenena. Tsy hoe te hitsikera manoloana ny hoe: midina ifotony voakiana, mijanona anaty lapa voatsikera, fa raha ny omaly, lojika kokoa raha nihazakazahana ny tany Mananjary na Ambositra na Faritra hafa teo anatrehan’ny loza sy ny voina, tao anaty hamehana ny faritra maro,... Ny nahamaika anefa dia ny nampidera bika sy nitatasika araka ny fitenin’ny tanora tetsy Iavoloha. Sa mila omanina tsara ny fidinana ifotony fa sao tsy mivoaka tsara ny serasera sy ny “selfie” manara-penitra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap