airtel

Edito

12-nov-2021

Edito

Fijery miabo

Sample post image

Tsy hoe isan’andro ny zava-drehetra no azo jerena miabo fa misy fotoana kosa tena ilaina izay fomba fijery izay ahafahana miroso amina dingana na tanjona iray vaovao tiana ahatongavana indray.

12-nov-2021

 Ohatra iray niseho omaly moa iny ny tontolon’ny baolina kitra Malagasy. Nibaby faharesena indray isika. Samy manana ny fomba fijeriny ny lalao nataon’ny Barea ny rehetra. Tao ireo afa-po tamin’ny endri-dalaon’ny ekipam-pirenentsika na dia teo azan y faharesena tamin’ny isa mazava. Tao kosa ireo nahita ny heverina ho lesoka mila harenina maika indrindra toy ny tao amin’ny fanafihana sy ny fiandrasana tsatoby. Izay ilay hoe fijery miabo satria efa hiaraha-mahalala fa naman’ny fanomanana ny amboaran’I Afrika 2023 sisa ny lalao hihaonana amin’I Tanzania amin’ny alahady. Nisy lesoka vaovao hita indray aloha izany iny. Inoana koa fa miha hitan’ny mpanazatra tsikelikely, raha mbola ho voatana amin’ny toerany moa izy, ny mety ho endriky ny 11 voalohany ho atao mateti-piseho amin’izay lalao iraisampirenena rehetra mbola ho atrehin’ny Barea eo. Raha avadika aty amin’ny raharaham-pirenena manontolo ihany koa ny resaka dia misy lafiny na tarehin-java-miseho azo ampiasana izay fijery miabo izay. Faran’ny mahantra ny firenena, feno fitokonana, madiva ho maitany, misy kere, hidanganan’ny vidim-piainana saingy fijery miabo heverina ho tokony hananana ao anatin’izany kosa angamba ny fametrahana fanontaniana hoe iza na iza avy no nahatonga izany? Inona na inona avy ihany koa no nahatonga izany? Samy manana ny valiny ny rehetra ary inoana sy antenaina fa valinteny ahafahana manapaka hevitra amin’ny hoavy daholo izany rehetra izany. Ny mpahaifiarahamonina moa dia manontany mivantana hoe mbola handany ny mpitondra amin’izao sa tsia. Manana fotoana hiheritreretana tsara dieny izao ny rehetra mba tsy ho sanatria diso safidy indray na ho diso safidy hatrany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap