airtel

Edito

05-oct-2021

Edito

Fikatsoana manara-penitra

Sample post image

Samy manana ny maso ijereny sy ny fandinihana itantarany ny zava-misy moa ny olompirenena rehetra sy ny mpanara-baovao.

05-oct-2021

 Miankina amin’ny firehan-tsainy io na mety ho fireham-pinoana ary eo koa ny firehan-kevitra hafa na firehana politika maha resy lahatra azy na nofidiany. Na eo aza anefa izany rehetra izany dia tsy afaka hananana izay rehetra izay kosa ny fahasahiranana izay ny ankamaroan’ny Malagasy dia miaina izany avokoa. 95%n-tsika eo, hoy ilay mpahaifiarahamonina iray izay, no tsy maha velona ny zanany akory. Maro amin’ireo zava-mitranga eto amin’ny firenena ankehitriny raha ho raisina hatreo amin’ny hatramin’ny omaly alina no mampibaribary fa miaina anaty fikatsoana manara-penitra ankehitriny I Madagasikara. Mikatso ny fampianarana eny amin’ny oniversitem-panjakana. Mikatso ny fiharian’ny betsaka amin’ireo mpiray tanindrazana vokatry ny tsy fisiana asa nifampitohy nateraky ny krizy ara-pahasalamana izay mbola lazain’ireo manam-pahaizana momba ny fahasalamana fa miato ihany fa tsy mbola tapitra moa izany. Mikatso ny toekarena. Tsy misy izay tsy mahalala an’iny satria ny fidangan’ny vidin’ireo entana ilaina an-davan’andro fotsiny dia efa porofo fa nisy toekarena tsy tafainga izay niteraka fahasahiranana ara-tsosialy teto. Ny tontolon’ny asa moa io efa iaraha-mahita io ihany koa. Tsy fantatra intsony izay tena marina momba ny olana misy eo amin’ireo mpanara-maso izany. Mbola manohy ny fitokonany ve ry zareo sa efa manohy ny asany araka ny tokony ho izy ? Ny volan’ny mpiasa eo anivon’ny CNaPS! Nanao ahoana ny niafaran’ireo volan’ny mpiasa nampindramina ny mpiasa tao ihany? Efa tafaverina ve? Efa afaka mandry ivohon’ny vato ve ireo mpiasa Malagasy, indrindra, amin’ny sehatra tsy miankina fa tsy banga ny vola hiantoka ny retiretiny. Izany rehetra izany santionany amin’ny olana miavosa mila vahana eto amin’ity firenena ity saingy hita ho mikatso aloha ny famahana azy fa dia any amin’ny haitraitra hahatonga ny maso ho taitra tsy hahatsiaro izany mba hitazomana toerana aloha izany izao no mahafatifaty ireo mpitondra antsika.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap