airtel

Edito

27-janv-2021

Edito

Firingana hevitra sisa

Sample post image

Izao angamba izany no tonga amin’ilay fitenenana hoe lany bala. Efa tsy mahita

27-janv-2021

 

 

hevitra vokatry ny saina intsony entina manamarina izay mba foto-keviny, raha manana fotokevitra, ny olona sasany dia any amin’ny herisetra ara-pitenenana sy fikitihana fiainan’olona manokana sisa no mba heviriny hahafahana manohana izany. Asa aloha izay tena mihevitra ny hahita tombony amin’ny fanirahana ireo olona hanatontosa ireny karazana fanaratsiana maro ireny fa dia azo lazaina ho olona faran’ny mahonena ihany ary tena mandrora mitsilany. Mety tsy ilay olona na vondron’olona heveriny ho “manokana” tiany ho lotoina loatra no tena potika ao anatin’ilay politika malotony fa ilay fiarahamonina Malagasy izay misy azy mihitsy no potehiny sy mbola sarihiny hankafy karazam-pahantrana hafa ankoatry ny fahantrana efa hitan’ny masony sy iainany. Firingana hevitra sisa no mba fanabeazana fototra ezahana volena eto amin’ity firenena ity ary mampahatsiahy ny fanehoan-kevitr’ilay mpamakafaka iray izay hoe vao miha isika ho lohalaharana amin’ny firenena mahantra eto ambonin’ny tany raha izao no tohizana hatrany.

 J. Mirija

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap