airtel

Edito

16-avril-2024

Fitantanana dangodango!

Mitodika etsy amin’ny HCC Ambohidahy indray izany ny

Sample post image

mason’ny mpanara-baovao anio. Efa fantampatatra ihany anefa no hitranga satria omaly hariva ihany dia efa nandeha ny didy tsy azo ivalozana maro.

16-avril-2024

Ny zava-baovao kanefa efa tsinjo mialohan’ny fotoana dia ho banga indray ihany koa ny mpikamban’ny governemanta manomboka anio. Dia samy miandry ny rehetra hoe: holalaovina ao indray ve ny fahabangana sa hiandry vita fifidianana indray ka hampiandraketina vonjimaika an’ireo minisitra tavela sy tena atokisana? Feno aza ny isan’ny mpanatanteraka izao no manjo ny firenena, mainka mbola ho banga indray? Miharihary hatrany aloha izany fa tena hoentina amin’ny tsy fahamatorana ny firenena, ny seza sy ny kajy politika no maika,… ka tsy atao mahagaga raha miha milentika hatrany. Vao telo volana nitsanganan’ny governemanta dia banga sahady ny toerana 7 eo anivon’ny mpanatanteraka dia inona fitantanana sy fampandrosoana ho vanona amin’izany? Ny Minisitra miisa 3 misahana ny fampianarana, ohatra, samy miala daholo kanefa atomotra ny fanadinam-panjakana ka moa tsy mitombo ny famotehana ny fampianarana eto? Sarotra ho an’ny mpitondra mihevi-tena ho andriamanjaka anefa no hanaiky diso, fa anjaran’ny vahoaka no mila tonga saina sy mandray andraikitra mifanandrify amin’ny zava-misy! Raha mitohy ny hazo lanin’ny voalavo ny lanitra e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap