airtel

Edito

09-nov-2021

Edito

Fitantanana Tip top

Sample post image

Ny eo tsy milamina ny eo misosoka ihany! Rehefa tena zohiana, tsy misy mandeha amin’izay laoniny ny fitantana ity firenena ity, fa tena miainga amin’ny “tip top” mandavan-taona.

09-nov-2021

 Tsy misy sehatra tsy haharenesana olana. Mba nilamindamina ny an’ny mpanao làlana sy ny mpiasan’ny oniversite taorian’ny grevy sy fitakiana am-bolana maro satria nampanantenaina fa ho avy ny vola satria manam-bola, hono, ny Fanjakana, dia misosoka indray ny hafa. Raikitra ihany koa io ny grevin’ireo mpiasan’ny laboratoara nasionaly momba ny asa vaventy sy ny fotodrafitrasa (LTPB) noho ny tsy fahatomombanana maro, ary tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny mpitantana; Miha mangotraka fitakian’ny mpiasan’ny an’ny Orinasam-panjakana mpanamboatra sy mpikojakoja sambo (SECREN) any Antsiranana noho ny karama sy zo am-bolana maro tsy voaloa; mangotraka ihany koa ny fitakiana any amin’ny Sekoly ambony momba ny teknolojia (IST) any Antsiranana noho ny tsy fisitrahana ny zo samihafa,… Io lasa resabe eo amin’ny sehatra ara-toekarena sy sosialy io ny ho fanambaran’ny mpitatitra fa hampiakatra saran-dàlana afaka tapa-bolana latsaka,… Tena krizy mandavan-taona, ary miharihary ny tsy fahazakan’ny mpitondra ankehitriny firenena. Havanana amin’ny fandrombahana fahefana, fa osa sy marefo amin’ny fitantanana firenena. Vao fitantanana izany, fa mbola adihevitra hafa indray ny hoe: fampandrosoana miainga amin’ny laharam-pahamehana tanterahina. Isan’ny fatra-pangala-tahaka ny Frantsay isika ka mila tsiahivina angamaba ilay tenin’i Jeneraly De Gaulle fahizay hoe: “Gouverner c’est prévoir”, izany hoe ny mitondra dia mila mahay mijery lavitra sy mitsinjo ny zavatra mety hitranga. Tsy misy fitantana firenena tsy misy olana izany, fa ny fahaizana misoroka sy mamaha an’ireny haingana no taratry ny fahaiza-manao. Ny eto kosa ny atao voalohany dia ny hoe: aiza no azo hamaharana sy hanilihana ny rihitra, hany na zavatra nolazaina hovitaina tao anatin’ny fotoana mbola tsy noeritreretina akory ny hisian’izany coronavirus izany toy ny ozinina indostrialy fanaovana “ethanol” tamin’ny 2019 aza nolazaina fa niato noho ny hamehana satria toa tsy mba manana fahintsiana na “honnêteté intellectuelle” mihitsy. Ny tsy fangaraharahan’ny fitantanana moa tsy resahina intsony, fa toa hifaninana ny migalabona sy miliba amin’ny volam-bahoaka!!!?
Toky R
 

Dans la même rubrique

27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap
26-mars-2024

niorina tamin’ny fanonganam-panjakana 2009, raha izay no azo ilazana azy.

Card image cap