airtel

Edito

29-juin-2021

Edito

Fitotonganana manara-penitra

Sample post image

Nanomboka ny taona 2013 no azo lazaina hoe vanim-potoanan’ny voambolana “fisandratana”. Nokasaina nanomboka teo anefa dia ny hisian’ilay tena antsoina hoe “fisandratana” ara-bakiteny

29-juin-2021

mihitsy hitranga eto amin’ity firenena ity. Napetraka taty akaikikaikin’ny fiafaran’ny fotoam-piasan’ny fitondrana Rajaonarimampianina taty mihitsy ny hoe “fisandratana mirindra” saingy tsy hita moa izany hatramin’ny fialany ny taona 2018. Mbola nametraka vinam-pisandratana indray avy eo ny fitondrana ankehitriny ary nampanantena mihitsy fa fandraisana an-tanana na hoe “initiative” izany fisandratana izany no ho entiny avy hatrany ao anatin’ny vinany IEM na “Initiative Emergence Madagascar”. Samy mametra-panontaniana anefa ny rehetra ankehitriny hoe tena izay tokoa ve no iainana ankehitriny na fara-fahakeliny efa manomboka? 2 taona sy tapany izay no lasa. Ekena fa efa firenena mahantra isika tao anatin’izay 61 taona izay saingy ankehitriny anefa na dia maha menatra aza ny milaza azy dia efa zava-misy fantatr’izao tontolo izao ny hoe I Madagasikara dia isan’ireo firenena lohalaharana amin’ny fahantrana mihitsy. Tsy mazava ny drafi-pitantanana ny firenena. Na eo anivon’ireo mpanatanteraka ion a eo anivon’ny parlemantera. Ny sasany, hoy ny fanamarihan’ny mpamakafaka raharaham-pirenena iray izay, tamin’ny novambra no nanatrika filankevitry ny minisitra farany. Ny praiminisitra ity toa zary isam-bolana sisa no hatazanana azy? Mitotongana ny toekarena. Mitotongana ny sosialy sy fianam-bahoaka. Fisandratana manara-penitra no nandrasan’ny isan-tokantrano saingy fitotonganana manara-penitra no zary miditra isam-baravarana. Ny ao an-dapa aza moa miha hita ho tsy milamina ka ahoana no ahafahana mahazo antoka fa mbola ao an-tsainy ny hampandroso ity firenena ity? Enga anie mba tsy ho ela ny fifandaminana fa dia miandry ny fahatongavan-tsainan’ny “olon-dehibe” izany aloha !
J. Mirija

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap