airtel

Edito

01-mars-2021

Edito

Fivahavahana tsy nisy nahavita

Sample post image

Tsy misy izay tsy mivahavaha ankehitriny ny fiarahamonina misy eto Madagasikara.

01-mars-2021

 

 Manomboka any amin’ny avo indrindra any no ahenoana izany ka hatraty amin’ny bitika indrindra. Mivahavaha ny any amin’ireo toeram-pivavahana. Hatrany avy no misy ady toerana sy fahefana. Mivahavaha ny any an-tsekoly. Tsy mety hiasa ny mpiasa ary tsy mety hampianatra koa izany izao ny sasany amin’ireo mpampianatra fa mikomy. Mivahavaha daholo ihany koa aloha raha ny hita hatreto ny fitantanana ankapobeny ny raharaham-pirenena mihitsy. Variana manakana ny mpanohitra tsy haneho hevitra ireo tompon’andraikitra sy mpanapa-kevitra ary io iaraha-mahita ho miha mifanontsana anaty io no iafarany. Tsy vao izao no nahitana ny tsy fitovian-kevitra na fijery izay miafara amin’ny fifanipahan’ny zava-dazain’ny teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy ny seraseran’ny fiadidiana ny repoblika mihitsy, ohatra. Fa maninona no tsy mety miainga ny IEM, hoy ny fanontaniana nipetraka efa ela? Iarahan’ny rehetra malala fa mifototra amin’ny resaka fotodrafitrasa ity tetikasan’ny filoham-pirenena nambabony ny fon’ireo mpanaradia azy tamin’ny fampielezan-kevitra ity, mba tsy hilazana hoe mifototra amin’ny asa vaventy. Iza moa izany no minisitra tokony ho tomponandraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana ireny Tanamasoandro sy Miami ireny? Inona no efa bainga voavadiny hatreto ? Fa maninona izy no mbola eo amin’ny toerany mandrak’anio ? Io koa ny olan’ny oniversite. Aiza ny minisitra tomponandraikitra? Aiza ny praiminisitra ao anatin’izao fivahavahana tsy nisy nahavita tao anatin’ny 60 taona izao ?

J. Mirija

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap