airtel

Edito

16-avril-2021

Edito

Fotoam-pitsarana

Sample post image

Efa hisasaka ankehitriny no taom-piasan’ny filoham-pirenena Malagasy vaovao na ny marimarina kokoa dia hoe izao fitondrana izao.

16-avril-2021

 Indramina sy averina eto ny teny famerimberin’ny rehetra hoe tsy isika irery akory no tratran’ity valanaretina ity fa izao tontolo izao. Raha tamin’ny fotoana niangaviana ny fitondrana hanidy ny sisintany no tsy nety izy fa mbola niandry ka nahatonga izao zava-misy izao dia samy nihaino ny setriny ny rehetra. Tsy inona izay setriny izay fa ilay fehezanteny manao hoe “tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny izao.” Na inona anefa ho lazaina dia efa voaporofo ara-tsiantifika tamin’ny alalan’ireo siansa mahaolona sy sosialy, eny politika maro, ny fitombonan’ny hoe mila mahay mitsinjo lavitra rehefa mitondra na ilay hoe “gouverner c’est prévoir”. Tsy hiteny intsony kosa angamba hoe vao 2 taona sy tapany izay satria anatin’ny 5 taona no nifanarahana tamin’ny vahoaka Malagasy hamahana, fara faharatsiny, ny olana fototra misy eto amin’ity firenena ity. Aiza tokoa ary ilay olan’ny Jirama voavaha? Mivoatra ve ny tontolon’ny fanabeazana eto Madagasikara? Milamina ve ny fahasalamam-bahoaka sy fandriampahalemana? Voavaha ve ny olana mikasika ny vidim-piainana? Isan’ny olana fototra izany ary samy mahalala ny valiny ny rehetra tsy anavahana ao anatin’izao fiatombohan’ny fotoam-pitsarana ny zava-bitan’ny fitondram-panjakana zao. Tsy mahagaga raha ny olompirenena tsotra no mahita ireny karazana vazivazy zaritenany hamehezana ny zava-misy ireny. Isany ny filazana fa “Ny filoha miala sasatra, ny governemanta miala bala, ny mpitsabo miala nenina, ny vahoaka miala aina.”. Eo koa ilay hoe “Tsy manome “oxygène” ny fitondrana fa “lacrymogène” no maro raha mila.” Manomboka mandinika io ny olompirenena. Manomboka mitsara!

J. Mirija

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap