airtel

Edito

02-juil-2021

Edito

Hanao inona eo fotsiny ?

Sample post image

Tsy afaka ny hampiakatra ny fari-piainanao ny fanjakana, hoy ny tomponandraiki-panjakana iray izay rehefa nanontaniana ny vahaolana manoloana ny fiainam-pirenena ankehitriny.

02-juil-2021

Hanao inona eo fotsiny izany ny fanjakana na ny marimarina kokoa ny fitondram-panjakana raha tsy hametraka izany ho tanjona? Izay ve izany no antony hametrahana ho laharam-pahamehana ny fananganana fotodrafitrasa mirentirenty etsy sy eroa sy tsy ahitana taratra mihitsy ny tena toeran’ny resaka sosialim-bahoaka ao anatin’ny praograman’ity fitondrana ity? Tena marina tokoa fa tsy ny fanjakana no afaka hampiakatra fari-piainana, hoy ny mpamakafaka iray izay, fa ny fanjakana kosa no mametraka tontolo iainana ara-tsosialy, sy ara-toekarena ahafahan’ny vahoakany mampiakatra ny fari-piainany. Midika ihany kosa angamba izany fa tena adidin’ny fitondram-panjakana, izay zarina lazaina hoe fanjakana, voalohany ny manao izay hiakaran’ny fari-piainan’ny vahoaka Malagasy. Nofidiana hanatanteraka ny vina nampanantenainy ny fitondram-panjakana. Tsy lavina ihany koa saingy ny vina iray ve matoa neken’ny mpifidy dia heverina fa tsy hisy hidiran’ny fisondrotan’ny farim-piainany mihitsy. Mpifidy adala angamba no mifidy vina toy izany! Inoana rahateo fa mbola hanamarina mandra-pialany teo ny fitondram-panjakana fa lany ara-dalana tsy nisy tokony hampiahiahy ny mpitarika ny fitondrana ankehitriny izay tompon’andraikitra voalohany amin’ny fanatanterahana izany vina izany. Vokatra tsotra no sady azo fintinina amina fehezanteny fohy hatrany no andrasan’ny Malagasy hatramin’izay ao anatin’ny vinan’ireo efa nitondra sy mbola mitondra azy dia ny hoe “miantraika any amin’ny ati-vilaniny ny fandaharan’asan’ny mpitondrany”, izany hoe, afaka hampiakatra ny fari-piainany satria izay no hanakaramany ny mpitondra. Rehefa tsy hanao izay ny mpitondra dia mitovy amin’ny mpiasa amina orinasa na mpiasa an-trano tsy mahavita ny iraka hampanaovina azy ihany kanefa dia mahita fialana na fanazavana ny tsy mety ataony ary midongy hijanona amin’ny toerana hiasany hatrany.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap