airtel

Edito

28-mars-2024

Havanana amin’ny ratsy !

Miha mafana hatrany ny toe-draharaha ara-politika,

Sample post image

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

28-mars-2024

kanefa milaza fa tsy mila korontanina ny Firenena. Ny mahagaga, haingam-piasa sy tena maneho ny heriny any anaty kajy sy hetraketraka politika miaraka amin’ny fananganam-pahavalo. Efa ny avy any anaty Fanjakana no mijoro ho arofanina milaza ny tsy mety, saingy natsangana ho fahavalo. Mipoitra sy mijoro. Olona iray no nampikoropaka nanetsehana ny etamazaoro politikan’ny fitondrana rehefa sahy namaky bantsilana ny politika maloto sy ny fitaka, ary ny tsy fahombiazana ka lasa nivadika ho hirifiry ho an’ny vahoaka. Dia ireny fa nipoitra avokoa ireo milaza fa solombavambahoaka mpanohana fitondrana, ka ireo mpivadibadika palitao arakakaraka ny tombotsoa politika no nisantatra izany, narahin’ireo volomboasary hatrany am-piandohana, izay misy ihany koa anefa no tsy tazana, mety efa niala ny sambo satria tonga saina! Dia tena jamba tanteraka eo anatrehan’ny fahoriana sy fahantram-bahoaka, tsy te hahalala izay lalàmpanorenana, fa milafika eo ambonin’ny hoe: fitsipika anatin’ny antoko. Marina sy ekena fa tena ilaina ny foto-kevitra sy fitezana ara-politika entin’ny antoko samihafa, fa ny famotsiana ny mainty sy fiarovana ny efa hita fa tsy mety kosa dia azo adika ho fanaovana tsinontsinona ny Malagasy. Toa napetraka ho ambanin’ny fitsipiky ny antoko rahateo ny olam-bahoaka, ny lalàmpanorenana,… Haingam-piasa rehefa hanenjika sy hanameloka ary hanasokajy ireo tsy mitovy hevitra, fa jamba sy pahana mihisatra kosa rehefa hamaha handray andraikitra manoloana ny olana mianjady amin’ny firenena: fahantrana, vidim-piainana, delestazy, loza voajanahary, fahapotehan’ny toekarena,… Moa mba nisy na depiote iray nidradradradra fa mpanakorontana ny Filohan’ny Antenimierampirenena mba nijoro sy nanaitra ny governemanta eo anatrehan’ny loza voajanahary, ny delestazy mamely,… Miharihary fa kinga sy havanana amin’ny kajy politika maloto, fa toa modraka sy misitritsitrika mianakavy eo anatrehan’ny tena marary ny firenena. Izany ve no mbola antenaina fa hitondra fampandrosoana?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap