airtel

Edito

11-juin-2021

Edito

Heverina ho mpanenjika hatrany

Sample post image

Hindramina kely ny fanehoan-kevitry ny olompirenena tao anaty tambazotran-tserasera tao rehefa

11-juin-2021

 

 

 naneho hevitra momba ny fitokanana kianja vaovao iray nataon’ny fitondram-panjakana indray omaly nanao hoe « Vao mahita an'ity kianja ity dia voky kibo, salama vatana, voaloa ny saram-pianaran’ny ankizy, midina ny vidin'entana PPN, miakatra 7% ny toekarena, voaharo ny sisintany, voakarakara ny fiharian'ny tantsaha, foana ny asan-dahalo na an-tanandehibe io na ambony latabatra sy ambanivohitra. Mpanenjika tozoro afara.» Ny fanehoan-kevitra tahaka izao moa ilay antsoin-drizareo mpahay fandresen-dahatra hoe « antiphrase » na « oxymore », izany hoe fanehoana ny tena tiana hahatongavana amin’ny filazana ny mifanohitra amin’izany rehetra. Tsy ny fananganana kianja na fotodrafitrasa no ratsy ary efa maro ny fomba nanehoan’ireo mpamakafaka sy mpandinika fa rehefa tsy tomombana aloha ny momba ny olompirenena ao anaty firenena dia tsy hisy fampandrosoana vanona eto. Na hatao farak’izay manara-penitra daholo aza ny sekoly, ny hopitaly, ny kianja sy foto-drafitrasa hafa rehetra ka mbola tsy voahefa araka ny tokony ho izy ny saram-piveloman’ireo tompon’andraikitra samihafa anatin’izy ireny dia hijanona seho ivelany fotsiny ihany fa tsy hitondra vokatra miabo ho an’ny firenena. Tsy hisy hametraka zavatra hafa ho ambony mihoatry ny fitadiavana izay hahavelomany mihitsy, raha mbola olombelona te hiaina eto ambonin’ity tany ity koa. Rehefa mihena ny fotoana ahafahany misakafo na ny sakafo miditra ny vavany mihitsy dia mbola hisy hery hananany sy vola ho foiny hijerena baolina anaty kianja ve ohatra? Indrindra moa fa sanatria voakitikitika ny resaka fialofany? Mazava ho azy fa hiantraika amina fihariana maro ny vokatr’izany ary na io resaka fanatanjahantena io aza dia mila tadidiana fa matoa feno mpanao fanatanjahatena matihanina ao anaty firenena iray dia feno olompirenena afaka mandoa vola maharitra hijerena azy ireny koa izay ao amin’ilay firenena. Ny eto moa raha milaza izany rehetra izany dia heverina ho mpanenjika hatrany.

J. Mirija

Dans la même rubrique

22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap
19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap