airtel

Edito

16-juil-2021

Edito

Hiaina fialana bala sisa

Sample post image

Ny olona afaka no afaka manafaka ary izay madio no afaka manadio, hoy ny fampatsiahivan’ilay solombavambahoaka miaradia amin’ny fitondrana ankehitriny izay omaly.

16-juil-2021

 Betsaka ankehitriny ireo velom-panontaniana mikasika ny antony mampihitsoka ny raharaham-pirenena eto Madagasikara eto amin’ny lafiny rehetra. Fandriampahalemana, toekarena, sosialy, politika, diplaomasia sy ny hafa rehefa hatreto mbola samy mihitsoka tato anaty 2 taona sy tapany mahery. Inona moa, raha fintinina, ny anton-dian’ny filoham-pirenena ankehitriny any ivelany raha tsy voafintina amin’ny teny tsotra hoe “handresy lahatra”? Efa ho 2 taona sy 1 volana izay no lasa fa mbola tsy miverina amintsika ihany hatreto ireo nosy manodidina an’I Madagasikara izay nilokalokan’ny filoham-pirenena fa tamin’izany fotoana izany no tokony efa eto am-pelantanantsika. Hatramin’izao, na ireo miandry ny ohatra avy any ambony mba te hanome tanana ao anatin’izany tolona izany aza mihenahena satria tsy tapa-kevitra, hoy ny fiteny an-tambazotran-tserasera izay, ny tena tokony hitarika ny tena rehetra. Ao no mametra-panontaniana hoe fa inona loatra no mamatotra ny fanjakana Malagasy nefa ny fitaovana ara-diplaomatika rehetra hananantsika ahafahana mandresy anatin’ity tolona ity? Ny firenena any an’aliny kilaometatra miala an’I Madagasikara aza miady mafy izany tena tokony ho nosintsika izany. Tsy hita izay hevitra mazava avy amin’ny fitondram-panjakana fa ireo sehatra hafa hahafahany miala bala kosa aloha dia tena iangaliany mihitsy hanaovana izany. Tsy mandeha ny vina IEM satria nandalo hahamehana ara-pahasalamana isika ary na teo aza ny hahamehana ara-pahasalamana dia mbola nahavita kianja manara-penitra, EPP manara-penitra sy izay manara-penitra, araka ny fomba fijerin’izao fitondrana izao rehetra. Tena asan’izao fitondrana izao madiodio koa ve anefa sa fandaharan’asa ireo mpiara-miombon’antoka na fitohizan’asa tamin’ny an’ireo mpitondra teo aloha? Mbola ady hevitra hafa koa iny. Mbola isany porofo maneho ny fahamarinan’ilay hoe avy any ambony koa moa, ohatra, ny fialana balan’ny orinasa mpamatsy herinaratra eto amin’ny firenena izay tsy misy tsy mahalala fa dia lasa kolontsaina ity fialana bala ity ary dia hiaina fialana bala izany sisa mandram-pahatapitry ny taom-piasana raha izao fandehany izao.

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap