Indrisy anefa fa hatreo amin’ireo razantsika ihany tokoa angamba no nijanona izany atao hoe fahendrena maha malagasy izany. Mijery ny fiarahamonina ankehitriny. Na manao azafady aza tsy hain’ny tanora intsony. Ny olon-dehibe noho izy indray no andrasany hiarahaba azy mialoha. Ny fiarahamonina anefa eo ihany fa hatraty amin’ny politika, 13 taona ngarangidiny izay, mety nihoatra kely. Isaky ny misy tsy mety na adalana mihitsy mipoitra sy ataon’izao fitondrana izao dia saiky hatrany hatrany ny tohan-kevitr’ireo mpitondra sy ny mpiaradia aminy dia hoe “ianareo koa aza tamin’ny andronareo nanao an’izao”, “Ny anareo aza vao mainka loza fa izao mihitsy no nataonareo”, “io koa izao ianareo fa manao an’izao”. Dia gaga ianao, hoy ilay fiteny. Fa isika mianakavy eto amin’ity Madagasikara ity ve izany dia tsy afaka ny hanarina ny tsy nety vitan’ny teo aloha intsony? Hifampita adalana ve izany no atao hoe fampandrosoana amin’ny mpanao politika sy mpitondra eto Madagasikara? Hifampita tsiny izany fa tsy mba hanarina ny tsinin’ny hafa mihitsy. Hisy fampandrosoana azo antenaina ao anatine toe-tsaina politika toy izany ve? Nandoko volomboasary ny fanomezany tamina vondrom-pivavahana matanjaka iray iny ny fitondram-panjakana ankehitriny dia voatsikera. Rehefa voatsikera dia tsy mba nisy fiekena mihitsy tokony tsy nataonay tokoa ireny. Ho arenina ireny amin’ny manaraka fa ny valinteny dia hoe nolokoinareo mangamanga koa anie ny andrim-panjakana tary tamin’ny andronareo e! Io izao ny an’ny FJKM fa lokoinareo menamena koa. Dia toy izany foana no mba adihevitra politika mba misy eto amin’ity firenena ity dia ho gaga ve isika raha tsy mandroso fa miverina foana koa hatramin’ny tantara?
J. Mirija
ny fisian’ny atao hoe mpanohitra sy mpanohana fitondràna. Isan’ny fanontaniana mipetraka ankehitriny