airtel

Edito

26-avril-2024

Hifanenjika mandra-pirava

«Misavoritaka ny fiainana politika, tsy mampandroso ny valifaty ifandovana.»,

Sample post image

hoy ny filohan’ny antoko politika MFM izay omaly. «Misy fetrany ihany ny fitondrana miorina

26-avril-2024

amin’ny fampiasan-kery ary sarotra honerana, ratsy fiafara eo amin’ny tantara, enjana ny fitsimbadihany.», hoy koa tetsy an-kilany ny raiamandrenibe iray eto amin’ny firenena. Azo lazaina ho samy vavolombelon’ny tantaran’ity firenena ity avokoa no namoaka izany fehezanteny miisa 2 samihafa nefa toa mifameno izany. Toy ny efa mandindona azy ireo, araka izany, fa mankany amin’ny faharavana ity raharaha ity. Inona moa izany fa dia hifanenjika mandra-pirava eto izany ireo mpitondra miara-mitantana na niara-nintantana ankehitriny na ireo mpitondra sy ireo nananany lonilony politika tany aloha tany. Iny izao omaly dia nitory ny vadiny taloha koa izany ny vadina minisitra malaza iray teo aloha rehefa avy nahatafiditra azy am-ponja io ramatoa toriany ankehitriny io dia mifanao tsimbalivaly eo. Araka ny efa notsiahivina teto ihany hoe hatramin’ny taona 2009, 15 taona lasa no nankaty, dia tsy nisy afa-tsy izay fifanenjehana izay no mba nisongadina tamin’ny antsoina hoe politika teto Madagasikara. Tany ry Berija Ravelomanantsoa. Mbola any ry Mbola Rajaonah, ry Rolly Mercia, ry Claudine Razaimamonjy, ry Mahery Lanto Manandafy sy ny maro tsy voatanisa. Io tokoa fa raharaha efa tamin’ny 15 taona lasa no nofongarina nisakanana ny lalana kandida depiote iray any Antsirabe. Ny zava-misy eny anivon’ny fitsarana anefa amin’io, iaraha-mahalala, fa mbola an-jatonjatony, anarivorivony, ny raharaha mila vahana eny anivon’izany atao hoe fitsarana malagasy izany ary misy maro no vao niditra omaly na andro vitsivitsy na mety hiditra amin’ity anio ity mihitsy. Hafa indray raha hoe tsy misy atao mihitsy ilay fitsarana dia lasa velom-panontaniana hoe «isika ve izany ry ireto dia hipetraka fotsiny eto fa andao mba hitady raharaha ho tsaraina!» dia hoe ity misy raharaha tsy nitohy tamin’ny 15 taona lasa! Raha izay angaha dia hafa indray no fipetrany saingy tsy izay aloha no zava-misy fa ny hita dia hoe akatoky ny fifidianana isika ka sarotra ny tsy hamaky ireo tranga ho fifanenjehana politika. Hifanenjika mandra-pirava sa hampandroso marina ny firenena nefa?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

na mpanao politika dia tena maniry ny hahapotika sy haharava ny firenena

Card image cap
03-mai-2024

amin’ny ambarany fa fahombiazany eo anatrehan’ny faharavan’ny firenena miseho amin’ny endriny maro ?

Card image cap