airtel

Edito

07-août-2023

Edito

Hihazakazaka ho aiza?

Sample post image

Ny fiainana eto izao, efa tena tsy matsiro. Tsy mandeha ny rano, tapaka ny jiro. Isika mianakavy variana mihaino angano. Hitombo firy indray izao ny isam-Belirano?”,

07-août-2023

hoy ny riman’ny mpanakanto iray tao anaty tambazotran-tseraserany tao ny faran’ny herinandro teo. Efa vitan’ny mpanara-baovao rima mihitsy, araka izany, ny fomba fiasan’izao fitondrana izao hatramin’izao fotoana hamaranany ny fe-potoam-piasany izao. Tsy ny tao anatin’izay 4 taona farany mahery izay ihany aza fa hatramin’ny taona 2009. Firifiry moa ny fampanantenana tsy nety tanteraka hatramin’izao? Nolazaina fa ho ampidinina 2500 Ariary ny litatry ny menaka. Nisy ve? 500 Ariary ny kapoakan’ny vary. Tontosa ve? Ho avy ny tramway, ny TGV, ny Flyover, ny Tanamasoandro, maro tsy voatanisa sy tsy atonona anaty gazety intsony. Mampametra-panontaniana hoe aiza daholo izany kanefa dia misy sahy milaza fa vita ny 90%n’ny veliranon’ny filohan’ny repoblika!? Mbola manana maso mijery sy mahita kosa angamba ny ankamaroan’ny malagasy fa izao vao hihazakazahana ny fametrahana ny teleferika. Samy nahatadidy ny tenin’ny tomponandraikitra isika vao tsy ela izay hoe tokony efa hisy teleferika miasa mandritry ny lalaon’ny nosy. Hihazakazahana hanaovana seho ivelany amin’ny vahiny ve izany no antony fa tsy hanamorana fianam-bahoaka? Iny koa ny ben’ny tanànan’Antananarivo nilaza fa hihazakazaka handroaka ny fako. Hifarana ny fotoam-piasana vao hoe andeha hidinika momba ny fitsinjaram-pahefana! Ny faran’ny herinandro teo koa ny praiminisitra dia hoe hidinika momba ny tsy fandriampahalemana. Moa ve izany rehetra izany tsy misy laharam-pahamehana no aty aty amin’ny fiafaran’ny fotoam-piasana daholo vao hoe andao ho dinihina? Hihazakazaka ho aiza izany sisa isika ity?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mahafehy ny zava-drehetra mikasika ny fitantanana Firenena ankehitriny io,

Card image cap
22-mai-2025

fitondràna izao hahatongavana marina ho an’ity Madagasikara ity isika mianakavy!

Card image cap