airtel

Edito

20-janv-2026

Hiova sa tsy hiova?

Inona moa izany no tiana ho

Sample post image

foana eto amin’ity firenena ity sy notakiana

20-janv-2026

fatratra namonoana tena mihitsy nandritr’ireny hoe tolom-bahoaka farany teo natao teto amin’ny firenena ireny raha tsy ny hoe hamongotra tanteraka izany tsimatimanota izany eto amin’ity firenena ity? Inona moa fa tsy ny hoe mba ho foana amin’izay ny delestazy sy tsy fisian-drano? Inoana fa na iza na iza antsoina hoe malagasy tia tanindrazana dia samy maniry avokoa ny hahafoana ny antsoina hoe gaboraraka. Samy maniry ny hahafoana ny antsoina hoe kolikoly na kiantranoantrano, indrindra, izany atao hoe fanjanahana amin’ny endriny vaovao izany, mba tsy ilazàna hoe fanaovan’ireo firenen-dehibe ampihimamba iraisampirenena aty amin’ny firenena mahantra aty. Samy maniry izany ny malagasy tia tanindrazana rehetra sy te hanana hoavy tsara lavitra eto amin’ity firenena ity ho an’ny taranany. Io ary izany izao ilay fitondràna fa miezaka mitady fifampiraharahana iraisampirenena amin’ireo firenen-kafa heveriny fa hiditra intsony amin’izany fanjanahana amin’ny endriny vaovao izany intsony. Miha miditra misimisy kokoa amin’ny fifanarahana amin’ireo firenena tantsinanana toa an’ireo firenena mikambanana anaty BRICS tahaka an-dry Brezil, Rosia, Korea sy ny namany rehetra. Eo ny fiaraha-miasa ara-tafika amin’ny firenena rosianina na amin’ny sinoa ihany koa. Ny tetikasa mifandraika amin’ny toetany sy fiharian’ireo mponina toy izay mikasika ny voly mangahazo any atsimo koa ao anatin’izany rehetra izany. Ny raharaham-pitsaràna samihafa izay heverina fa hamantarana ny marina rehetra mikasika ireo tsy fangaharaharam-pitantanana tanaty fitondràna teo aloha moa dia ireny niarahan’ny rehetra nahita ireny fa tsy voatery nampidirana am-ponja ireo niahiahiana akory fa tena nezahana ny naneho ny serasera fa ireny olona nantsoina ireny dia tena nilaina tamin’ny fanadihadiana. Nisy koa anefa ireo heverina fa voaporofo ny naha meloka azy dia ireny nomena ny heverina fa sazy sahaza azy ireo ireny ihany koa. Manaraka ny fizotrany isika ankehitriny ary asa hoe iza no afaka ilàza fa tsy nisy ny fiovàna? Ny fanontaniana mipetraka amin’ny olompirenena tsirairay koa nefa dia isika rehetra izao ihany koa ve nefa hiova sa tsy hiova?
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

06-mars-2026

Nahazatra sy nahaliana izany

Card image cap
05-mars-2026

Hatrany am-piandohan’ny

Card image cap