airtel

Edito

22-nov-2021

Edito

Ho an’ny mendrika ny fankatoavana

Sample post image

“ Le respect se mérite.”, hoy ry zareo vahiny izay na hoe ho an’ny mendrika ny fankatoavana, raha adika malalaka amin’ny tenin-drazantsika.

22-nov-2021

Saika hita isan’andro eny amin’ny fiarahamonina eny foana ny endriky ny fahatanterahan’izany saingy ny mahagaga eto amin’ity madagasikara ity kosa mandrak’izao na dia efa iaraha-mahita fa tsy mety mahatafavoaka ny firenena ao anatin’ny fahantrana aza dia ny mbola fanjakan’ilay rivo-baovao antsoina hoe “werawera” hatrany. Betsaka moa ny adihevitra nanoloana ny hetsika nataon’ireo mpitondra tamin’iny herinandro lasa teo iny, eny, hatramin’ny nandraisan’izao fitondrana izao fahefana ka hatramin’izao fotoana iresahantsika izao. Farany teo, ohatra, dia nahavelom-panontaniana ny mpamakafaka raharaham-pirenena ny hoe inona no antony nitondrana delegasionina efa ho 35 isa tany amin’iny COP 23 iny? Tena nilaina nandeha tany ve ny ankoatran’ny minisitry ny tontolo iainana? Naninona tany ny filoham-pirenena? ny filohan’ny antenimieran-doholona? Hitsangatsangana sy hanao “selfie” ve sa hampidera fihinanana “Caviar”? Io izao fa tantara sisa ny Air Madagascar. Tranga mbola tsy nisy tao anatin’ny 60 taona dia mbola hireharehana foana ve sanatria fa fahombiazan’izao fitondrana izao izany. Hanaraka koa, sanatrian’izany ny JIRAMA hatramin’ny laboratoaran’ny asa vaventy sy ny taotrano. Enga anie mba tena hiravina tanteraka tokoa ny mahakasika ny valan-javaboarin’I Tsimbazaza. Eo no mampiverina amin’ilay fehezanteny voalohany teo sy mahatonga ny fanontaniana hoe hatraiza moa izany no tena fetran’ny fahefan’ny filoham-pirenena ao anatin’izany rehetra izany? Tena to teny amin’ireo tandapa rehetra ve? Mpanjaka heverina ho nanana politika tsara indrindra teto amin’ity firenena ity izany Andrianampoinimerina izany, izay raha rasaina dia mazava tsara hoe “Andriana am-pon’Imerina”, izany hoe, noho ny fahitan’ny ambanilanitra fa mendrika azy ny fiandrianana ary tena manana fifandraisana am-po tamin’ireo vahoaka teto Imerina izy no antony nanomezana azy izany anarana izany na dia Imboasalama aza no niantsoana azy teo am-pilatsahan’ny tavoniny. Niaiky azy ho nanana ny fahaizany ny rehetra ary mbola nantsoina hoe “Ny Ombalahibemaso” koa aza izy noho ny fahitana azy ho tena mpanjaka “mahiratra”. Aiza ho aiza amin’izany ireo tandapantsika rehetra ankehitriny? Mety mbola hahatafavoaka politika hampiaiky vahoaka toy izany ve ?

J. Mirija
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap