tanindrazana maro, indrindra, hatramin’ny taona 2009 izany, hoe ho an’ny tanindrazana tokoa ve sa ho an’ny tombontsoa manokana no tena fototry ny fanapahan-kevitr’izany foloalindahy izany amin’ny vanim-potoana etsy ankilany? Etsy ankilany anefa dia fanontaniana mipetraka amin’ireo mpanao politika isan-tokony koa izany amin’izao fotoana izao na ho an’ireo ivelan’ny fitondràna io, fa indrindra, ireo mpitondra. Ny foloalindahy no voalazan’ny lalàmpanorenana fa manana ny teny filamatra voalaza teo saingy ny olompirenena rehetra ihany koa, tafiditra anatin’izay ireo mpanao politika, dia inoana fa mbola mahatsiaro tena ho manana an’ity Madagasikara ity ho tanindrazana iombonana, indrindra moa fa ireo mbola miaina sy mivelona eto hatramin’izao. Ho an’ny tanindrazana sa tombontsoa manokana ny fihetsika politika asehon’ireo mpisehatra politika eto amin’ny firenena ankehitriny? Nandeha ireny ny fifidianana izay ho filohan’ny antenimieram-pirenena. Fanindroany nisesy no lany 100% ny kandidà natolotry ny fitondràm-panjakana. Niaraha-nahita koa ny faran’ny herinandro teo ny fifidianana izay filohan’ny mpanolontsain’ny tanànan’Antananarivo renivohitra. Lany koa ny avy amin’ny fitondràna nefa manatombo ao izao ny isan’ny mpanolontsaina avy amin’ny fanoherana. Mety azo iadian-kevitra ny hoe ny olona nirotsaka ve no tsy naharesy lahatra ny maro an’isa satria azon’ny mpanohitra ihany avy eo ny toeran’ny filoha lefitra? Mifandanja koa etsy ankilan’izay ny eo anivon’ny fanoherana sy ny avy amin’ny fitondràna amin’ireo toerana hafa. Mipetraka izany eto ny ahiahy tsy hihavanana sy ny fanontaniana samihafa hoe kajikajy politika ve sa tena fikatsahana hampandroso ny renivohitry ny firenena tokoa na ny firenena manontolo? Ho an’ny tanindrazana sa tombontsoa manokana? Inoana fa hivaly ato ho ato ny mety ho fiovàna ho any amin’ny tsaratsara kokoa na sanatria vao mainka loza miantona ho an’ity firenena ity.
J. Mirija
ho an’ny mpitondra ankehitriny ny manao amboletra mandrombaka sy