airtel

Edito

29-déc-2021

Edito

Ho taonan’ny inona indray ?

Sample post image

“Ho taonan’ny asa, taonan’ny fanarenana, taonan’ny fanorenana,… ity taona ity”, hoy ny Filoham-pirenena raha nanao kabary famaranana ny taona 2020 sy fitsenana ny 2021 izay hifarana afaka 48 ora.

29-déc-2021

 “Hiasa andro aman’alina isika, hoy izy, hany ka nirarakopana ny fampanantenana toy ny hoe hanao ny RN6, RN9, ny RN13 aza moa dia nanaovana vava mihitsy fa tsy hanao politika intsony raha tsy vita io. Asa efa nanomboka tokoa ve ny asa? Efa firy isan-jato izao? Teo ihany koa ny fametrahana ozinina famokarana sakafo any atsimo, ny fitarihan-drano lehibe na “pipeline”, fametrahana Tramway, fanombohana ny fametrahana “autoroute”,… Ny rehetra no afaka mitsara satria ny omby tazonina amin’ny tandrony fa ny olombelona tazonina amin’ny teniny. Miiba indray amin’ny ankampobeny ny vokatra ho an’ny firenena Malagasy. Raha nolazaina tany am-boalohany, fa taonan’ny asa mafy ity taona ity satria amin’ity no hatomboka ireo velirano, dia mbola nijanona ho balarora aloha ny ankamaroany. Ho taonan’ny inona indray izany ny 2022 ? Ho taonan’ny propagandy mialohan’ny fotoana ? Zary fialokafolafana hatrany moa ny nisian’ny valanaretina coronavirus. Na izany na tsy izany, samy nisy an’io ny ankamaroan’ny firenena maneran-tany, saingy hainy ny nametraka ny laharam-pahamehana ho amin’ny fiarenana ara-toekarena. Nahay nijery ny maika sy ny tena ilaina, fa tsy be didoha niaina tamin’ny kisehoseho ivelany, ka lasa madio ivelany tahaka ny fasana. Haingo ambony tsikoko no lasa besaka. Ny tanjona dia ny hanasongadin-tena hanoratra ny anarana hoe : io no tandindon’ilay Filoha tamin’izany, tena nametraka izy, nametraka lova ho an’ny taranaka,… Io mantsy tsy azo kosehina na harodana, fa ny fahantrana mangitsokitsoka mahazo ny Malagasy noho ny tsy fahaiza-mitondrany mety ho voaarin’izay mety ho mendrika kokoa hitondra ny firenena any aoriana. Sarotra ary isan’ny mafy indrindra ho an’ilay Mpitondra ankehitriny ny hihaiky fa tsy zakany ny firenena, tsy ananany ny fahaiza-manao,… Maka sy mandrombaka fahefana dia mety ho talentany, fa ny hitondra sy hitantana ny firenena any amin’ny fandrosoana toa tsy ho angadiny mihitsy. Isaky ny tonga eo izy, fehemorana hatrany no hita. Ekena fa maneho hoe: mamaha olana, tsy vita iray andro ny fampandrosoana, saingy ny hirariana dia ny hahatsapan’ny Malagasy fa ilay olona nomeny fahefana anie no olana voalohan’ilay firenena! Fa raha izao sy izay 7 taona nitondrany izay aloha, dia tena tsangam-baton’ny famarinana an-kady an’I Gasikara!
Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap