airtel

Edito

27-août-2021

Edito

Ho volan-kakafotra foana ve ?

Sample post image

Miandry izay ho vokatry ny fampanantenana maro samihafa indray aloha izany ny Malagasy. Ny Filoha sy ny mpiara-dia aminy any am-pitandranomasina miresaka zavatra maro.

27-août-2021

Ny eto an-tanindrazana miraradraraka ny fampanantenana amin’ny endriny maro, ka isan’ny nisongadina ny resaka fifehezana ny vidim-piainana. Inona no voandalana avy any amin’ny Reny malala satria hisy ny fihaonana eo amin’ny filoha roa tonta anio? Misy ny mpanao famakafakana nilaza mahitsy, fa hobedesina no nandehanany any satria voakitikitika ny tombotsoan’I Lafrantsa, ary ny filohantsika dia voatondro ho zanak’io firenena io. Afaka handiso izany amin’ny alalan’ny vokatra azo tsapain-tànana ve ka hody ventiny ny rano nantsakaina tamin’ilay vava be hoe: manana fiandriananay izahay ka famerenana no takianay fa tsy fiaraha-mitantana? Ny tena mampihomehy amin’ity tantara ity, dia toa nidina tany amina zavatra iva lent any mpitondra. Toa ilay ady sy fifanolanana tamin’ny mpanohitra indray no nisongadina sy niely. Voasambotra e! Tsy voasambotra e! Afa-baraka e! Ilay tena anton-dia toa takona. Vehivavy iray monja dia apetraka ho olana goavana mandindona ny dia iray manontolo. Fotoana sy vola no lany tany ivelany tany, ka asa izay ho vokany. Fampanantenana re izao, resaka re izao,… Raha tarafina amin’ireny, rahampitso dia rahampitso isika dia ho lasa sangany maneran-tany. Asa anefa rahoviana ihany no hivadika asa mivaingana miantraika amin’ny any anaty vilany? Io nambara io indray omaly fa hofehezina, hono, ny vidim-piainana. Zava-dehibe izany ka dia miandry ny fahatanterahany indray izany ny ambany lanitra. Efa maro rahateo no nolazaina sy noresahina momba io, raha tsy hilaza afatsy ilay hoe: ferana ho 500Ar ny kapoaka saingy inona no teo? Efa ny novambra 2020 no notokanan’ny Filoha ny orinasan’ny karana mpamokatra lafarinina ary efa nisy vokatra tamin’izany. Nolazaina fa mahavita 500 taonina isan’andro, ary hampihena hatrany amin’ny 15% ny vidin’ny lafarinina. Tena nisy fidinany tokoa ve sa ny balarora no betsaka? Ny zavatra toy ireny no matetika tsy mampipetraka ny fahatokisana intsony ka asa raha mba hisy fiovana amin’izay na mbola ny omaly tsy miova toy ny volan-kakafotra?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

ary ny fitondrana mihitsy no mandrehitra toa manao izay hampiakatra ny maripana,

Card image cap
27-mars-2024

heveriny fa mahomby hatrany ny fandrangarangana miaramila sy fitaovam-piadiana,

Card image cap