dia mbola izay foana izany no fahitàn’ireo milaza go mpanohana tsy niala tamin’ny filoham-pirenena Andry Rajoelina. Izay minisitra na sekreteram-panjakàna niarahany nanendry tamin’ny praiminisitra Ntsay Chritian, izay efa nandritry ny 8 taona mahery izao no lehiben’ny governemanta malagasy, foana no diso. Ny lazaina fa tsy fahaizan’ireny olom-boatendrin’izy mirahalahy ireny no manala baraka an’ilay filoham-pirenena ho an’ireo milaza azy ho «Rajoelista». Diso ve izany ny manam-pahaizana vahiny raha milaza fa ny hadisoana miverimberina, toy ny tsy fahaizana mifidy izay ho atao praiminisitra na minisitra, dia tsy azo lazaina ho adisoina intsony fa efa fanapahan-kevitra? Efa voalaza rahateo koa moa izany ilay izy hoe tsy fahaizana saingy ny eto moa izany dia na dia hitan’ny banky iraisampirenena sy tahirim-bola iraisampirenena na rafitra iraisampirenena hafa koa fa nahatonga fahantrana teto amin’ilay firenena aza ilay filoham-pirenena tsy mahay mifidy mpiara-miasa na mifikitra amina mpiara-miasa tsy mahomby sy ny governemanta dia mbola izay hatrany aloha izao no fehezanteny fototry ny fanohanana izao fitondràna izao. «Tsy ny filoham-pirenena no ratsy fa ny manodidina azy.». Ny filoham-pirenena foana no antsoina hoe «Ilay lasibatra!» na «le victime». Rahoviana izany ireo mpanohana ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina, vao hahita an’io filoham-pirenena io ho tomponandraikitry ny fitotonganan’ny fiainan’ny malagasy hatramin’ny taona 2009 no ho nankaty na fara-faha ratsiny hiaiky fa tomponandraikitry ny fahapotehan’ny firenena nanomboka ny taona 2019 hatramin’izao izy fa tsy hoe izy indray no isan’ireo lasibatr’izany? Dia hilaza azy ho lasibatra foana ve izany rehefa nilaza izy fa «ambolena ny «Coton de Tulear»? Toy izany koa rehefa miteny fa «haka taranaka amin’ny omby vositra» na hoe «roa taona vao miakatra ny vary»? Firenena nalaza tamin’ny famokaram-bary izany izao no lasa mpanafatra vary satria «victime» ny filoham-pirenena na dia sahy niteny mazava aza hoe tsy maintsy manafatra vary isika. Potika ny Air Madagascar satria lasibatra ny filoham-pirenena fa tsy hoe isan’ny tomponandraikitra nahatonga izany tamin’ny alalan’ny fitondràny. Tototra ny tanimbarin’olona nefa ny tetikasa saika notontosaina tao anatin’izany toerana izany tsy raikitra tampoka indray, na izany na tsy izany aza aloha dia efa potika ny fivelomana tantsaha maro. Mbola tsy diso ihany koa tao anatin’izany rehetra izany ilay filoham-pirenena fa lasibatra na hoe «victime» ho an’ireo mpanohana azy. Na mbola ho lafo tanteraka aza ve izany, sanatrian’izany ity nosy ity dia mbola ho toy izany ihany no ho fahitàn’ireo mpanohana ny filoham-pirenena azy?
J. Mirija
fa tia an’ity Madagasikara ity tokoa ny mpitondra, nilazana fa vina sy hevitra, nanehoana fa hitondra
hoy ny hiran-drizalahy mpanakanto izay. Inona tokoa moa no hihazakazahan’ny mpanararaotra fihenam-bidy,