airtel

Edito

23-juil-2021

Edito

Kaikerin’ny amboakely tiany ?

Sample post image

Manamarika sy mibahan-toerana ankehitriny ny raharaha fa hoe : nisy ny fikasana hamono ny Filoham-pirenena. Voatonontonona mivantana na ankolaka ny Fantsay

23-juil-2021


satria misy amin’ireo nosamborina no mizaka ny zom-pirenen’io firenen-dehibe mifamatotra ara-tantara amin’i Madagasikara io. Tato ho ato, dia noresahina sy noventesina ny hoe : ratsy ny fifandraisan’ny Fanjakana Rajoelina sy ny Firenena Frantsay. Mampametra-panontaniana hatrany na izany aza hoe: tena miady sa manao vazaha mody miady? “Nokaikerin’ny amboakely tiany” araka ilay fomba fitenin-drazantsika ve ny Filoha Rajoelina? Mba fantatry ny maro ihany ny fifamatorany amin’ny Frantsay izany, ary tsy azo hodiana fanina fa tsy tonga teo amin’ny fitondrana ny tenany raha tsy nanampy tamin’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 I Lafrantsa, ary mety ho toy izany ihany koa ny 2018. Raha niala teto Madagasikara izy rehefa nisy ny filoham-pirenena voafidim-bahoaka dia toa tany Eoropa indrindra fa tany Lafrantsa no nandany ny ankamaroan’ny efatra na dimy taona latsaka. Rehefa nanomana ny fifidianana 2018 dia mbola tany Frantsa no namolavolana sy nampahafantarana voalohany ny vina IEM,… Tapaka ve izany ny tadi-poitra eo amin’I “Reny malala” sy ny “Zaza tinaizany”? Izay ve izany ilay hoe: hainy ny nametraka dia hainy ihany koa no manaisotra? Tampotampoka teo anefa dia iny fa hoe natao ny fifanaraham-piaraha-miasa amina vola 700 000Euros, ka asa na fampitonintoniana, na endrik’ilay hoe vazaha mody miady!??? Manahirana sy saropady ity resaka ity ka ny mason-tsaina sy ny masom-panahy no mila ahiratra ho an’ny olom-pirenena. Mila mahay maka lesona amin’ny tantara mba tsy ho voafitaka lava sy ataon’ny olona tohatra fiakarana fotsiny sy hanaovany resaka mivoaka miditra sy lalaoviny amin’ny fihetseham-po eo dia variana. Politika sy diplaomasia, ary tantara no resaka eto. Avo lenta, ary mety ho mifanojo fa mety tsy hifanojo velively amin’ny endrika ivelany ihany koa ny zavatra miseho sy aseho. Ny tsy azo lavina dia tsy tongatonga ho azy izao zavatra izao saingy ny antom-pisiany sy ny ho vokany no andrasana.

Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap
23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap