airtel

Edito

20-mars-2024

Kapoaka mangidy !

Mbola izao zavatra iainantsika ankehitriny izao ve no antsoina hoe :

Sample post image

fitantanana mahomby sy firenena mandroso ?

20-mars-2024

Mizotra makany amin’ny Madagasikara tsy maintsy mandroso tokoa ve isika ankehitriny sa miha milentika anaty kizo noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny mpitondra ? Tsy finiavana hanakivy ny vahoaka na fitia te hitanisa ireo zavatra miiba sy tsy fanjariam-pitantanana, fa ny zava-misy amin’izao aloha dia tena famiravirana firenena, fanambaniana vahoaka, fanaovana takalon’aina an’i Madagasikara ka izay maha diavolana ny sain’ny olom-bitsy no arahina. Amin’ny fomba ahoana moa no hiheverana sy inoana fa tena hahavita hitantana araka ny tokony ho izy sy hampandroso firenena izao fitondrana izao kanefa ny zavatra tokony handeha ho azy aza mivadika krizy sosialy sy toekerana ? Ny fakon’Antananarivo izay tokony handeha ho azy aza dia lasa mivadika velirano sy tetikasan’ny filoham-pirenena ny fanalana azy noho ny fitiavana sy finiavana hampalaza olon-tokana. Io ihany koa fa miitatra ny olana manodidina ny solika satria manenjana ireo mpitatitra. Ny orinasa sy mpandraharaha maro manana vola amin’ny Fanjakana tamin’ny resaka tsenambaro-panjakana miantso vonjy, ary betsaka no lasa potika fihariana, banky ropitra, bokan-trosa,… ary misy mamoy ny ainy mihitsy aza. Ny vahoaka amin’ny ankampobeny valaky ny fahantrana, trotraky ny adim-piainana, vizaky ny fitadiavana izay hohanina anio tadiavina rahampitso. Moa ve mba maharototra ny Fanjakana ireny ? Ny mahadodona dia ny haka sy handrombaka fahefana amin’ny fifidianana manaraka. Tsy te hahalala izay tena fahantram-bahoaka fa mandeha amin’ny politikan’ny vonjy tavan’andro hatrany. Efa manangasanga any indray ny kitolotolotra rehefa nangingina, efa manomboka mihatrana ny jiron’akoho rehefa mitombo ny tsy fahefezana ny delestazy izay miha mahery vaika manerana ny Nosy. Izao zava-mitranga sy fahoriana ampiainina ny vahoaka izao ve dia mbola hitombona ny hoe : hifidy ny kandidan’ny volombosary ny vahoaka maro an’isa amin’ny fifidianana depiote amin’izao efa fampitondrana kapoaka mangidy ny Malagasy izao ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Ny noheverina fa kandidam-panjakana taloha any amin’ny faritra sasany lasa kandida tena lohalaharana amin’ireo

Card image cap
14-mai-2024

Manahirana amin’ny fanaovana politika eto Madagasikara ny fisian’ireo antsoina hoe : «

Card image cap