airtel

Edito

15-nov-2022

Edito

Kendan’ny nasesiky ny tànany

Sample post image

Efa be loatra ny sinema, ny resaka tsy tonga volana sy misavoamboana natao teto. Na tamin’ny propagandy na tao anatin’ny raharaham-pitantanana ny firenena nahitana sy nahatarafana an’izany avokoa.

15-nov-2022

Tsy tambo isaina ireo toe-javatra toa nentina nanodikondinana saim-bahoaka tamin’ny raharaha tsy fahombiazana ara-pitantanana na koa afera maizina mamohehitra mahasaringotra ny mpitondra na ny akaiky azy. Atao mahagaga ve raha tsy mino firy izay lazain’ny Fanjakana volomboasary intsony ny olona ka milaza eo anatrehan’ny toe-javatra iray toy ny fitifirana nikasana hifofo ny ain’ny ben’ny tanànan’Antananarivo hoe: sinema hoenti-manodina saim-bahoaka indray izao io? Efa betsaka loatra ny sinema sy ny zavatra tsy marina sy tsy mitombina nampantenaina teto ka zary voataiza amin’izany ny olona, efa zatra maheno sy mahita mpitondra mandainga sy mampanantena poakaty, hany ka na any amin’ny zavatra mety ho efa loza amin’atambo sy mety marina tokoa aza dia raisin’ny olona ho sinema satria izay no nitezana azy. Kendan’ny nasesiky ny tànany ny mpitondra raha raisina amin’iny satria efa lasa ataon’ny olona fonosana iray ny sinema sy ny tena izy!? Mpanao politika no voakasika, ka amin’ny politika tsy misy zavatra kisendrasendra izany, fa dia ao raha na mitombina ireny na tsia. Tsy misy manome rariny ny fifofoana aina mihitsy eto, ary mendrika hizaka ny saziny izay tompon’antoka. Ny mampalahelo fotsiny dia ny hoe: olona iray manam-pahefana, mpanefoefo,… no voalaza fa lasibatra, tsy nisy voakitika na ny singam-bolony aza, maika ary sesilany ny fanamelohana. Ny vahoaka madinika tsy mandry andro tsy mandry alina, maty amin’ny fomba feno habibiana, misy mangalatra ny taovany, lasa ny fananana keliny, raha tsy matin’ny fahantrana sy kere dia matin’ny dahalo,… toa tsy misy mpahita. Somary nanaitra ny fanambaran’ny Filoham-pirenena hoe: “Malagasy iray isika, iray rà, iray aina. Mandala ny fihavanana. Melohiko ny herisetra”. Marina ny azy, ary adidiny ny mampiombona ny Malagasy, tsy tokony hisy Malagasy hifamono sy hifandrafy na hifandramatra. Na izany aza, “Any izay ny 2009”, hoy, ny fanamarihan’ny olom-pirenena isan’ny lasibatry ny krizin’ny fanonganam-panjakana nivoizana fankahalana, politikan’ny ory hava-manana, fandrobana, fandorana, fandravana,… Ririnin-dasa tsy tsaroana tokoa e!
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Adihevitra be eo amin’ny tontolo politika eto Madagasikara ankehitriny ity tsy

Card image cap
24-juil-2024

fa tena miasa ny Filoham-pirenena, ka ny zavatra tsy tokony hataony aza toa savihiny ho anjara asany.

Card image cap