airtel

Edito

01-avril-2022

Edito

Kirin’antitra

Sample post image

Manao kirin’antitra ka ny herin-tsaina mety mbola ao ihany, fa ny hoza-pe mihitsy no efa tsy afaka intsony. Mifankaiza amin’izany moa ny zava-misy ankehitriny?

01-avril-2022

 Tsy misy zavatra tena mandeha amin’ny laoniny fa dia krizy mandavan-taona. Ilay Filoham-pirenena tsy sasatry ny mampalaza tena sy toa efa manao propagandy mialohan’ny fotoana. Izay aleha tsy maintsy hanaovana fampanantenana, ankoatra ny mety fitokanana izay vita. Na hametraka vato fototra haniry bozaka tsy ho ela aza efa ilana filoham-pirenena, hitokana làlana rarivato mety tsy ampy iray kilaometatra dia ny filoha,… Ny fihetsiny dia toa te haneho fa tsy maintsy izy no mpamaha ny olana, ka na zavatra tokony ho vitan’ny lehibem-pokontany aza ataony. Lojika avy eo rehefa misy olana ilay olom-pirenena na zavatra tsy dia mankaiza ary dia Andriamatoa filoha mba jereo ihany no voateny. Tsy misy fitsinjaram-pahefana intsony, ary tsy te hahalala afatsy ny filoha ilay olona. Mahatratra 1595 ny isan’ny kaominina eto, ka iandrasana an’Atoa Filoha isak’izay mihetsika ve? Miraviravy tànana ny manam-pahefana maro. Momba ny fitantanana, ny hoenti-manana efa tsy ara-drariny amin’ny resaka fitsinjaram-pahefana satria 30 tapitrisa Ar isan-taona, ohatra,, ny tetibola ho an’ireo kaominina, manome 48 miliara Ar ny fitambarany. Ny tetikasa iray nampiady hevitra dia ny teleferika anefa mahatratra hatrany amin’ny 1000 miliara Ar. Lojika raha hatramin’ny depiote mpomba ny fitondrana aza tsy menatra nijoro, fa tsy laharam-pahamehana ny teleferika, saingy tao anatin’ny 60 taona angamba, tsy nisy Mpitondra Fanjakana sady tsy mahay manetry tena no tsy mahay mihaino ny hafa tahaka ity, fa ny azy hatrany ny marina. Haongany eo amin’ny Fanjakana ny mpifanandrina politika aminy dia ny azy ihany no marina, mitotongana -7% ny tahan’ny harin-karena faobe, dia mitady izay hanilihana. Izy hono tena miasa manao izay haha sangany sy ho mpamonjy izao tontolo izao fa ny vokatra azony laharana faha-5 mahantra indrindra eran-tany. Vita hatramin’ny namorona mpampinany sandoka nolazaina fa hiainga eto Madagasikara ny fanavotana izao tontolo izao, kinanjo nivadika ho revin-gadran’izao tontolo izao. Ny tany tsy milamina, ny fandriampahalemana tsy misy, ny vidim-piainana voafehy,… dia mbola sahy hanao kirin’antitra ihany ve amin’ity tsy fahombiazana ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap