airtel

Edito

17-juin-2022

Edito

Kodiaran-tsarety

Sample post image

Lesona goavana amin’ny politika tsy misy ohatran’izao iainantsika izao. Na ireo mpikatroka ara-politika na mpanohitra io na mpitondra,

17-juin-2022

na ny vahoaka mpifidy samy tokony hahay hanatsoaka lesona amin’izao. Miharihary fa tsy mora ny mitantana firenena izany fa tena mila fahaiza-manao sy fahaiza-mitarika. Tsy tahaka ny milina avo lenta ka bokotra fotsiny no potserina dia mandeha sy tomombana ny zava-drehetra. Mora ny manakiana ny hafa sy mampanantena fa hanao izay tsy vitan’ny hafa tao anatin’ny 60 taona, kinanjo ny faharatsiana sy tsy fahaiza-mitantana, vokatra miiba, fitotonganana ara-toekarena sy ara-tsosialy, fahasimbana ara-toe-tsaina sy ny maro hafa, izay tsy mbola fahita hatramin’ny naha Madagasikara azy no miseho ankehitriny. Lesona ho an’ny vahoaka ihany koa io hoe: mila manaraka raharaham-pirenena, mila mahay mandalina sy mamakafaka fa tsy fitahin’ny olona amin’ny fampiesonana sy fampanantenana manara-penitra dia roboka, mila mahay mandà fa tsy vidian’ny olona amin’ny vola kely sy fanomezana indray mahandro dia roboka,… Kodiaran-tsarety ny politika ka raha manenjika ianao anio, mety ho voahenjika rahampitso, raha manongana androany mety hohozongozonin’ny olona na haongany rahampitso. Tsy misy ny mandrakizay, ary tsy maharo ny vola sy ny basy aman-tafondro. Fandalovana ihany ny fipetrahana ny seza, ary tato anatin’ny 20 taona tsy nisy nahavita nahatazona io fahefana io 10 taona mitohy izany akory. Na ity Filoha ankehitriny nanao izay ho afany nandrombaka fahefana tamin’ny basy aman-tafondro aza dimy taona ihany no teo tamin’ny tetezamita, dia tsy maintsy niala. Hiditra amina kihon-dàlana goavana indray isika, ary toa manakaiky ny kodiaran-tsarety ara-politika. Efa ratsiratsy faka ity fitondrana ity, ambony ny herijika handaozany ny fahefana saingy toa vao mainka mampidingin-drambo azy izany. Raha tsaraina amin’ny fahombiazany sy ny vokatra nentiny ho an’ny firenena, azo antoka 90% fa tsy ho tafaverina eo intsony, raha voahaja ny lojika. Hanaiky mora izany ve anefa izy ireo? Na tiany na tsy tiany miodina io kodiaran-tsarety ara-politika io ka dia samy miandry izay ho fisehony e! Ny irariana fotsiny dia enga anie mba tsy ho làlana mankany amin’ny tena fanarenana no endriky ny fitsimbadihana mety hiseho aoriana ao, fa tsy vao mainka hampidi-kizo.
Toky R
 

Dans la même rubrique

18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap
17-avril-2024

Tsy fotoanan’ny fanomezan-tsiny intsony izao, hoy ny fehezan-teny matetika fambaran’ny filoham-pirenena

Card image cap