airtel

Edito

19-mars-2021

Edito

Krizy tsy miato

Sample post image

Tsy mbola nisy teto amin’ity firenena ity angamba izany filoham-pirenena teo aloha sy ankehitriny,

19-mars-2021

 

 

 3 mirahalahy be izao, mifandimby maneho hevitra ao anatin’ny herinandro izany. Ny an’ny filoha ankehitriny moa mbola handrasana eo izay ho ambarany rahampitso sabotsy fa ny an’ireo roa teo aloha aloha dia ireny efa niaraha-naheno ireny fa “loza” no votoatiny. Na dia heverin’ny olona sasany ho samihafa aza ny voambara dia tsikaritra ho nifanohy sy nifameno ihany ary samy manaitra ny sain’ireo mpanapa-kevitra fa misy loza mitatao ankehitriny eto amin’ny firenena raha tsy mandray ny andraikiny izy ireny. Mampirodana fanjakana ny tsy fahaiza-mitantana, hoy ny iray. Aza lalaovina ny haim-bahoaka, hoy kosa ny iray. Antenaina fa hamaly am-pahendrena izay hevitra mahasoa voarainy tamin’ny tenin’ireo raiamandreny miisa 2 eto amin’ny firenena ireo ny filoham-pirenena ankehitriny rahampitso sabotsy. Krizy tsy miato no niainan’ny firenena nanomboka ny taona 2009 no nankaty ary tsy nisy afa-nanatanteraka fampandrosoana aloha hatreto izay nandova ny vokatry ny tetezamita tamin’izany fa toy ny voatery nitantana krizy. Manampy trotraka izao ny krizy ara-pahasalamana izay miteraka krizy sosialy, toekarena, politika, kolontsaina, eny, fa na hatramin’ny fanatanjahantena aza. Krizy daholo ny manodidina ny tontolo. Ny firenen-kafa nahay nanararaotra nitady fampandrosoana teo anelanelan’izay 12 taona izay ka maro no efa nihoatra lavitra antsika fa isika kosa mbola variana ao anatin’ny adilahy politika ary tsy misy manam-piniavana hijery izay marimaritra hatramin’izao. Enga anie mba tsy handiso fanantenana intsony ny kabary rahampitso sy rahafak’ampitso.

J. Mirija

Dans la même rubrique

23-avril-2024

famohazana ny fata-maty amin’ireo tetikasa efa nalevin’ny fotoana lazaina fa hatao,…

Card image cap
22-avril-2024

amin’ity firenena ity ary «Rafahafahana»? tsaroana, 7 taona lasa teo izay,

Card image cap