airtel

Edito

20-déc-2022

Edito

Lavaka mangitsokitsoka

Sample post image

Herinandro tsy hahatongavan’ny fetin’ny noely isika izao, ary raha ny tena tokony ho izy dia ao anatin’ny vanim-potoana fiomanana tanteraka amin’izany.

20-déc-2022

Efa tafiditra ao anatin’ilay vanim-potoana tokony hisian’ny fitoniana saingy ny politika moa no tena resahina amin’io matetika. Fitoniana inona tokoa moa izany no ho azo ao anatin’izao? Raha mety efa mandeha na miomankomana handeha hiala voly, misintantaka ny renivohitra, mamonjy fianankaviana any ambanivohitra,… dia miady amin’ny kapoaka kosa ny ankamaroan’ny vahoaka Malagasy. Ny hoanina anio tadiavina rahampitso, tsy mba misy fitonian-tsaina sy fiadanam-po fa rotoroto mandavan-taona,… Ny manampahefana samihafa mpitondra azy kosa betsaka no mety efa miomankomana, misy ny mety efa lasa namonjy firenen-kafa sy toerana malaza tahaka an’I Lafrantsa, Dubai,… Misy ny mety tonga hanao tsidi-pahitra kely dia handeha indray e! Tena fiainana mifanipaka tanteraka, saingy mbola misy ny sahy milaza fa tena mandroso ny firenena, betsaka ny ezaka,… Lalina loatra ny lavaka mangitsokitsoky eo amin’ny mpitantana sy ny vahoaka, saingy iniana ikipiana. Fandemen-tsaina no betsaka ka lazaina fa tsy vita 5 taona ny fampandrosoana raha noventesina tany anaty propagandy fa izay tsy vitan’ny teo aloha rehetra tao anatin’ny 60 taona dia hovitaina ao anatin’ny 5 taona monja. Ny zavatra lazaina anio lasa tsy mitombina intsony rahampitso. Maro ny fampanantenana poakaty nentina nakana ny fon’ny Malagasy, saingy betsaka amin’ireny no ririnin-dasa tsy tsaroana avy eo. Ny olom-pirenena efa mandry tsy lavo loha, mitaintain-dava amin’ny ampitso, lozitry ny fahantrana, lanaky ny fiainana,… saingy fampanantenana no fanafodiny. Ny tena marina anefa, tsy misy zava-banona, fa dia hoentina amin’ny kisendrasendra sisa ny firenena. Dia mbola sahy hilaza fa hahavita fahagagana ve ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Mihazakazaka any amin’ny fanenjehana ireo mpifanandrina ara-poto-kevitra aminy hatrany ny fitondrana,

Card image cap
24-avril-2024

Tonga indray ity ny vanim-potoanan’ny fifidianana

Card image cap