airtel

Edito

23-mars-2023

Edito

Lavitry ny fitiavan-tanindrazana

Sample post image

Misafotofoto hatrany aloha ny toe-draharaham-pirenena noho ny antony ara-politika, fa eo ihany koa ny lafiny sosialim-bahoaka,

23-mars-2023

izay tena mitotongana ambony ambany. Na tiana na tsy tiana, ary tsy faly hitanisa ny zavatra tsy mety, fa kosa efa tena latsaka an-davaka ny firenena, milomano ao anaty krizy sy fahantrana ny vahoaka Malagasy. Asa iza no sahy hiteny fa mandroso na miha mandroso i Madagasikara amin’izao fotoana izao ary miadana ny vahoaka Malagasy? Miteny ho azy ny tarehimarika samihafa, toy ny hoe : isika no firenena faha-11 tsy sambatra indrindra maneran-tany na “le plus malheureux”, araka ny tatitry ny World Happiness Report. Mason-tsivana handrefesana an’io ny harin-karena faoben’ny firenena, ny tontolon’ny fahasalamana, ny fahalalalan-tànana, ny fanohanana ara-tsosialy, ny ady amin’ny kolikoly ary ny fifampitsinjovana amin'ny samy maha olona. Izany no handrefesana hoe: sambatra sa tsia ny firenena iray. Asa hoe: izany tokoa ve ilay nilokalokana tamin’ny propagandy fa ho sangany aty Afrika sy noventesina tamin’ny vanim-potoanan’ny coronavirus fa isika no hanavotra izao tontolo izao? Na inona na inona holazaina, isan’ny fositra ny tsy fahaiza-mitantana, ny fitiavan-tena, ny fitiavam-pahefana diso tafahoatra,… Io mbola iaraha-mahita ny porofo ankehitriny raha tarafina amin’ny raharaham-pifidianana. Tsy izay fahasahiranam-bahoaka no mahaika ny ankamaroany, ary betsaka aza no manao fitaovana an’io. Ao ny mihevitra ny Malagasy ho tahaka ny akoho ka na efa novolosana sy nampijaliana tamin’ny tsy fahaiza-mitantana aza dia heverina fa tambazana kely amin’ny kizarazara dia miverina ihany. Ao ny faly ny hitanisa ny tsy fahombiazan’ny eo mba hampanantenana ny olona, saingy betsaka no efa mba hita ihany ny nataony. Misy ihany koa anefa ny miketrika mangina sy miady hevitra hoe: ahoana no ahafahana manarina ity Gasikara ity? Tsy isika no ratsy vitantana fa ny fitiavan-tanindrazana no tsy ampy! Rahoviana vao tena samy ho tonga saina sy hanalavitra ny fitiavan-tena fa tena hijery ny firenena sy ny vahoaka mba hahatanteraka ilay hiram-pirenena hoe: “e! sambatra tokoa izahay” e ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

fitondrana ity amin’izao fotoam-piasana faharoa nidirany izao.

Card image cap
18-avril-2024

ireo tafiditra ao anatin’ny hazakazaka ho eny Tsimbazaza.

Card image cap